Lalambe migodana : Vita hatramin’ny 50% ny asa fandravonana amin’ny 80km ampahany voalohany
Amin’izao fiandohan’ny taona izao dia nidina nijery ny fandrosoan’ny asa teny amin’ny fanamboarana ny lalambe migodana ny Minisitry ny asa vaventy, omaly, 6 janoary. Hita nandritra izany fa miroso ny asa ary efa mandroso amin’ny fandravonana (terrassement) ny orinasa amin’izao fotoana izao.
Hafainganina ny asa
Nandritra io fidinana io no nanapahana hevitra fa hisy hatrany ny fidinana ifotony hijerena ny fandrosoan’ny asa eny amin’io tetikasa lehibe io. Hisy isam-bolana araka izany ny fijerena ny fanamboarana io fotodrafitrasa io amin’ity taona 2025 ity. Tanjon’izany ny fanafainganana ny asa. Raha tsiahivina mantsy dia vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny faran’ity taona ity ny fanamboarana io ampahany voalohany, 80 km io. Amin’izao fotoana izao dia efa vita ny asa fandravonana na « terrassement » mirefy 40 kilometatra amin’ny 80 kilometatra, ho an’ny ampahany voalohany. Misy ampahany amin’io lalana mirefy 40 kilometatra io no efa vita ny sosona fototra na « couche de fondation », misy kosa ny efa vita ny « couche de base ». Eo ihany koa ireo fotodrafitrasan’ny lalana samihafa izay mandeha miandalana ny fanamboarana azy. Nisy ihany koa ny toromarika nomena ny orinasa "Samcrete", mpanatanteraka ny asa, ho fanafainganana ny asa sy ho fanatratrarana ny tanjona napetraka.
Efa ao anatin’ny teti-bola
Ao anatin’izany fanafainganana ny asa izany dia nanambara ihany koa ny Minisitra fa tafiditra ao amin’ny tetibolam-panjakana na LFI amin’ity taona 2025 ity ny vola entina hamitana ny ampahany voalohany amin'ny lalambe migodana. « Efa vonona izany vola izany, amin’ny anjaran’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Ho an’ny ampahany faharoa kosa, lalana mirefy 180 kilometatra, dia efa manomboka ny fifampiresahana amin’ireo mpampiasa sy mpamatsy vola izay hifanome tanana amin’ny Governemanta Malagasy ho amin’ny fanatanterahana ny asa mifandraika amin’izany », hoy hatrany ny Minisitra, Rafidison Richard Théodore. Etsy ankilany moa dia efa novononina daholo ihany koa ny fitaovana ho ampiasaina rehetra mba hahafahana mampiasa izany avy hatrany rehefa amin’ny fotoanany.