• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Mialy Rajoelina
Image
Vaovao

Jaipur Foot Camp : Hetsika fametrahana ratsambatana artifisialy

13/11/2024 10:22 © Moov

Tsy vitsy ireo olona voatery notapahina ny tongony noho ny antony ara-pahasalamana. Lafo dia lafo nefa ary tsy voatery ho hita eto Madagasikara ny "Prothèses". Hamaliana ny filàn'ireo olona ireo no anton'izao hetsika izao.

Ny Jaipur Foot dia fitaovana ara-pitsaboana hanoloana ny tongotra izay notapahina. Matetika mantsy dia sady tsy maintsy mitondra tehina fotsiny ny olona notapahin-tongotra no hitan'ny olona rehetra eny ny "kilemany". Rehefa misy nefa ny solon-tongotra dia afaka mahaleo tena tsara amin'ny fandehanana, sady tsy misy mahafantatra hoe misy ratsam-batana efa tsy eo intsony.

Tolo-tanana

Efa misy ny fizarana ratsam-batana artifisialy na "prothèses" ao amin’ny Jaipur Foot Camp Andraharo. Olona manana fahasembanana miisa 500 manerana an'i Madagasikara no hisitraka izany, ary maharitra 42 andro ny hetsika. Ny vadin'ny filoham-pirenena Mialy Rajoelina no reny mpiahy sady nanokatra ny hetsika omaly 12 novambra. "Mino aho fa ity hetsika ity dia hamelona ny fanantenana ho an’ireo mpiray tanindrazana amintsika izay maniry ny hiverenan’ny fahafahan’izy ireo mamindra ary hanana fahaleovantena", hoy i Mialy Rajoelina mandritra ny lahateniny.


Copyright Image : © PRM

Ny Bhagwan Mahaveer Viklang Sahayata Samiti (BMVSS) avy any Inde no angady nananana izao tetik'asa izao. Maro ihany koa ireo mpiara-miasa, dia ny Association Fitia, ny Fikambanana Mahatsangy, ny Fondation Axian sy ny Fondation Viseo. Mazava ho azy manana anjara goavana ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Hisy moa fampiofanana sy fanamafisana ny fahaizamanao ho an’ireo mpitsabo sy teknisianina ao amin’ny "Centre d’Appareillage de Madagascar" ao Befelatanana mba ahafahan’izy ireo mifehy ny dingana fanarenana na "réeducation".

Famaliana ny filàna "prothèses" eto Madagasikara

Eto Madagasikara dia efa nisy ny fandraisana ny fepetra fanafahan-ketra amin’ny fadin-tseranana nanomboka nihatra ny janoary 2011 sy ny TVA nanomboka ny volana Aogositra 2021 ho an'ireo "prothèses" ho an’ny olona manana fahasembanana.
Tsy fitaovana ara-pitsaboana fotsiny ny "prothèses" fa antoky ny fahaleovantena sy ny fahafahana, hoy Ramatoa Mialy Rajoelina. Nanteriny ihany koa fa ny tenany dia manohana hatrany ireo tetikasa mitondra fanantenana ho an’ireo izay tsy manana fahafahana hisitraka izany.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires