• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanabeazana aizana « vasectomie » : Mbola tsy resy lahatra ny lehilahy malagasy

12/11/2024 16:48 © Moov.Mg

Ny roa amin’ireo karazana fomba fanabeazana aizana maoderina miisa10 misy eto Madagasikara, no natokana ho an’ny lehilahy. Raha azo lazaina ho efa maharesy lahatra ny lehilahy sasany ihany ny fampiasana ny kapaoty, dia mbola ambany kosa ny tahan’ny lehilahy sahy miroso amin’ny « vasectomie » eto amintsika.

Fandidiana tsotra

Marihina androany 12 novambra ny andro maneran-tany ho an’ny « vasectomie », ho an’ity taona 2024 ity. Raha tsotsorina dia fandidiana tsotra, hanakatonana ny fantsona mitondra ny tsirinaina avy ao amin'ny vihy, ny « vasectomie ». Maharitra eo amin’ny 15 minitra ny fanatanterahana izany. Iray amin’ireo fomba fanabeazana aizana mahomby indrindra izy, satria amin’ny lehilahy 2 000, dia amin’ny iray ihany izany no mety tsy hahomby. Na izany aza, mila miandry 3 volana aorian’ny nanatanterahana ny « vasectomie », vao tena tsy ahiana intsony ny vohoka tsy iriana, rehefa tsy misy intsony ny tsirinaina. Noho izany, ilaina ny mampiasa fomba fanabeazana aizana hafa, ao anatin’izay fe-potoana izay. Tsy manova na inona na inona amin’ny toetran’ny taovam-pananahana, na ny fahafahana mianoka firaisana ara-nofo sy mahatsapa fahafinaretana, ny fanaovan’ny lehilahy « vasectomie », hoy ny mpitsabo. Natokana ho an’ireo lehilahy tsy maniry ny hiteraka intsony ity fomba fanabeazana aizana ity.

Tsy famosirana

Na sokajiana ho isan’ny manome vahaolana maharitra amin'ny filàn'ny olona, momba ny fanabeazana aizana aza, ny « vaséctomie », dia mbola maro ny lehilahy malagasy no miahotra ny hanatanteraka azy, noho ny tahotra sy ny tsy fahalalana. Misy ihany koa ny manafangaro azy amin’ny famosirana, saingy zavatra roa samy hafa mihitsy izany. Raha ny any amin’ny Faritra Boeny manokana, dia niisa 5, raha be indrindra, hatramin’ny taona 2019 no nankaty, no isan’ny lehilahy niroso tamin’ny « vasectomie », araka ny fanazavana azo avy eo anivon’ny Marie Stopes Madagascar (MSM). Any amin’ny Faritra Vakinankaratra kosa no fantatra fa ambony indrindra ny tahan’ny fanaovana « vasectomie », raha ny antontan’isan’ny MSM, izay isan’ny mamporisika ny fampiasana fomba fanbeazana aizana maharitra.

Lire la suite

Articles Similaires