• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Pm
Image
Vaovao

Fitaovana hanamboarana « parcs solaires » : Mamoaka izany, any Toamasina, ny Praiminisitra

12/11/2024 08:34 © Moov.Mg

Rahampitso alarobia 13 novambra 2024, fara-fahatarany, dia tokony ho tafavoaka ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ireo fitaovana entina mametraka ireo "parcs solaires", hiadiana amin'ny delestazy manerana an'i Madagasikara, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon'ny Primatiora.

Fandraisan’andraikitra haingana

Nahitsy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, tao anatin'ny fandaharana manokana nivahinianany tao amin'ny haino aman-jerim-panjakana, tamin'ny alahady lasa teo. Ny fitavozavozana eo amin'ny fandraisan'ny tomponandraikitra isan-tokony fanapahan-kevitra, no isan'ny nambarany fa antony tsy mahavoavaha ny olan'ny jiro sy rano eto Madagasikara. Nolazainy tamin'izany, ohatra, fa efa tonga ao Toamasina ireo fitaovana hahafahana manangana fotodrafitrasa famatsiana jiro, hanampiana tosika ireo efa misy, izay efa tranainy, simba, ary mihinana ny ampahany betsaka amin'ny teti-bolam-panjakana. Ho setrin'izay dia nanatanteraka fidinana haingana tany Toamasina, omaly 11 novambra 2024, ny Praiminisitra, Ntsay Christian, niaraka tamin'ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr'andro, ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana sy ireo rantsamangaika rehetra mirafitra amin'ireo Minisitera ireo, ka voakasik'ity famahana ny olan'ny herinaratra ity.

Herinaratra avy amin’ny masoandro

Fikaonan-doha nijerena haingana ireo vahaolana, mba hahafana mamoaka ao anatin'ny fotoana fohy ireo "containers" mitondra ireo fitaovam-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro, sy ny milina famokarana herinaratra mandeha amin'ny solika mavesatra, no notanterahina tao amin'ny efitrano fivorian’ny Société du Port à Gestion Autonome de Toamasina (SPAT). Nandritra izany no nanomezan'ny Praiminisitra fe-potoana hentitra, ny amin'ny tsy maintsy hivoahan'ireo fitaovana rehetra ireo, fara-fahatarany rahampitso alarobia 13 novambra 2024. Nanomboka ny tolakandron'ny omaly ihany, araka ny tatitry ny Primatiora, dia samy nirohotra namoaka ireo fitaovana ireo ny tompon'andraikitra rehetra, ary efa misy ny ampahany tafavoaka.

Ireo fitaovana avoaka ireo dia hahafahana mametraka fotodrafitrasa famatsiana herinaratra avy amin'ny angovo entin'ny masoandro, manerana ny Nosy, izay manana tanjaka 50 MW. Hisitraka izany i Antsiranana, Nosy-Be, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara ary Antananarivo, araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires