Faradoboka « caravane médicale » : Mpiasan’ny fahasalamana maherin’ny 100 isa no nahetsika
Nifarana omaly 10 novambra 2024 ny fanomezana ireo tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana sy manakaiky vahoaka, nokarakarain’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny Associationa Fitia, tao anatin’ny hetsika faradoboka « Caravane Médicale ».
Nijanona tamin’ny tanàna 5
Olona an’aliny maro no nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana, nandritra ny hetsika faradoboka « Caravane Médicale », araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny 2 novambra 2024 izany « caravane » izany no niainga teto Antananarivo ary nihazo an’i Vakinankaratra, tonga hatrany Atsimo Andrefana, rehefa avy nandalo an’i Matsiatra Ambony. Araka izany, Faritra 3 no nijanonana sy nanatontosana ity hetsika fizaham-pahasalamana ity ary mponina marobe avy amin’ny tanàna miisa 5, dia Antsirabe, Ambalavao, Sakaraha, Toliara I ary Antanimieva no nisitraka tolotra ara-pahasalamana maro isan-karazany, nandritra izany. Ny Association Fitia sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina ary ireo mpanohana ara-teknika sy ara-bola maro, no nifandrimbona tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao.
Fitsaboana maimaim-poana
Fiarabe maro, izay efa misy fitaovam-pitsaboana, no nandeha nanatona ny vahoaka sy nanome fitsaboana maimaim-poana nandritra izay andro maromaro nanatanterahana ny faradoboka « Caravane Médicale » izay. Nisy ny fizaham-pahasalamana, ny fitiliana, ny fitsaboana sy ny fandidiana, izay nahasahana trangan’aretina sy tsy fahasalamana isan-karazany, toy ny aretin’ny nify sy ativava, ny tsy fahampian-tsakafo... Nisy ihany koa ireo karazana tolotra sy fandraisana an-tanana, toy ny mikasika ny fanabeazana aizana, ny fanaovam-baksiny, ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy niarahana tamin’ny Brigade Féminine de Proximité, avy eo anivon’ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka… Raha atotaly dia mpiasan'ny fahasalamana maherin' ny 100 isa no niara-nisalahy, ka nahatontosa ity faradoboka « Caravane Médicale » ity.
Tafiditra indrindra amin'ny fanatanterahana ny politikam-panjakana amin'ny fampanjariana ny maha olona ny hetsika « Caravane Médicale ».