Hetsika faran'ny taona hieren-doza: Hamafisina ny fitandremana mialoha amin'ny lozam-pifamoivoizana
Iray volana mahery alohan'ny faran'ny taona sy ny taona vaovao, miomana sahady amin'ny hetsika ho hieren-doza ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR). Ao anatin'izany dia efa miomana sahady ho amin'io tanjona io izy ireo amin'ny alalan'ny asa isan-karazany. Hiara-hiasa amin'ny Sampan-draharaha misahana ny hetsika sy fitsirihana ara-teknika tampoka an-dalambe (SOCR) sy ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia (CENSERO) manerana ny Nosy izy ireo.
Hamafisina ny fitsirihana ara-teknika
Miantoka betsaka amin'ny fihenan'ny lozam-pifamoivoizana ny fahatomombanan'ny fiara. Araka izany, hamafisina ireo fitsirihana ara-teknika an-dalambe sy ny fanabeazana ny mpampiasa lalana manerana ny Nosy (contrôles techniques inopinées) ataon’ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR). Izany dia ho tanterahina amin'ny alalan'ny sampan-draharaha misahana ny hetsika sy fitsirihana ara-teknika tampoka an-dalambe (SOCR) sy ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia (CENSERO) manerana ny Nosy. Etsy andaniny ihany koa dia hamafisinina toy izany koa ny fitsirihana ara-teknika mialohan’ny hiaingan’ireo fiara mpitatitra olona (contrôles techniques avant départ) eny amin’ny tobim-piantsonana rehetra (Gares Routières) mba hanenana faran’izay tratra ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena (RN).
Fepetra ho an'ny taom-piotazana
Efa hiditra amin'ny taom-piotazana jirofo sy letisia ihany koa ny eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Mifanaraka amin'izany dia noraisina ny fepetra manokana momba ny fitaterana izany. Fiara efa natokana hanao ny asa fitaterana entana sy ireo vokatra ireo toy ny camion sy camionnette ka manana carrosseries bachees na fourgons irery no afaka manao izany ary tsy maintsy manao « visite technique spéciale » eny amin’ny ivon-toerana fitsarana fiarakodia (centre de sécurité routière) akaiky azy hisorohana ny loza mety hiseho. Hisy ny fanaraha-maso hentitra hiarahan’ny DGSR sy ireo mpiantsehatra samihafa amin’ny filaminan’ny fifamoivoizana (ZANDARY-POLISY-ATT) ho fisorohana mialoha ny lozam-pifamoivoizana sy ny fandikan-dalàna samihafa (fandehanana mafy, vesatra sy haavon’ny entana entin’ny fiara, fidorohana zava-mahadomelina, dona miverina, sy ny maro hafa) ary hohamafisana koa ny fanentanana sy ny fampianarana ireo mpampiasa lalana rehetra tsy an-kanavaka.