• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Makua Festival Music : Mividy tapakila iray, dia toy ny mamboly zana-kazo roa

14/10/2024 19:56 © Moov.Mg

Homena lanja manokana, mandritra ny Makua Festival Music, ny fikajiana ny tontolo iainana. Hotanterahina any Toamasina, manomboka ny 31 ôktôbra hatramin’ny 3 novambra izao, ity hetsika lehibe ity, izay fotoana hanomezana laka ihany koa ny kolontsaina mampiavaka ny Faritra Atsinanana.

Mpanakanto maherin’ny 30 isa

Mpanakanto maherin’ny 30 isa no handray anjara amin’ny hetsika Makua Festival Music : Shyn sy Denise, Rim K, Kakanjila, M Sayo, Wada & Yoongs, Nounous, Egeba Est, Jean Kely sy Basta, Black Nadia, Claudio Rabe, Reko Band, Jonitho, Fafass, Oza … Santionany ihany ireo, izay mpanakanto avy amin’ny Faritra samy hafa eto Madagasikara, samy manana ny vanim-potoanany avy, ary mivoy gadona samy manana ny maha-izy azy ihany koa. Araka izany, samy hahazo ny anjarany daholo ireo mpankafy ho avy any Toamasina, fa tsy misy ny ho diso anjara, amin’ity hetsika lehibe karakarain’ny Makua Entertainment sy ny tanàn’i Toamasina renivohitra ity.

Hisokatra ny 31 ôktôbra ny Makua Festival Music, amin’ny alalan’ny kabary hifandimbiasan’ireo olo-manan-kaja isan-tsokajiny, ny tapany maraina. Hitohy amin’ny « carnaval » lehibe izany, ny tolakandro sy ny alina. Hisy fifaninanana fitafytsara indrindra, amin’io fotoana io, izay mety hahazoana loka roa tapitrisa ariary ho an’ny voalohany, iray tapitrisa ariary ho an’ny faharoa, ary dimy hetsy ariary ho an’ny fahatelo. Hofaranana amin’ny « flash mob » sy ny « zumba lehibe » ny « carnaval », amin’ny tapany maraina, fa mbola hisy ihany koa ny « carnaval » hotontosaina ny alina, izay hofaranana amin’ny afomanga.

Efa mivoaka ny tapakila

Ny andro telo manaraka dia hifandimby hiaka-tsehatra ireo mpanakanto, izay samy manana ny maha-izy azy avy, eo amin’ny « Esplanade La Mairie Toamasina ». Etsy an-daniny, hisy ihany koa ny trano heva, haneho ny vokatry ny tany isan-karazany, miaraka amin’ireo sakafo, tsakitsaky sy zava-pisotro, tsy afa-misaraka amin’ny fety aman-danonana. Efa mivoaka ny tapakila ho an’ity hetsika ity, ary azo jifaina ao amin’ny tranonkala ofisialy.com. Raha amin’izao fotoana izao no manjifa ny tapakila fidirana tsotra dia amin’ny vidiny 10.000 Ar izany. 15.000 Ar kosa ny saram-pidirana tsotra, rehefa tonga ny fotoanan’ny hetsika. Misy, ankoatra izay, ny tapakila VIP.

Hanome lanja manokana ny tontolo iainana ity hetsika Makua Festival Music andiany voalohany ity, ka rehefa manjifa tapakila 1, dia naman’ny mamboly zana-kazo roa. Hozarain’ny mpikarakara ho an’ny tokantrano ao Toamasina, izay afaka mamboly hazo, izany zana-kazo izany. Eo amin’izay lafiny ara-tontolo iainana izay hatrany, dia mikendry ny tsy hamelana loto eny amin’ny faritra hanatanterahana ny hetsika ny mpikarakara, fa hanadio avy hatrany, isaky ny mifarana ny fampisehoana, isan’andro. Rehefa tapitra kosa ny hetsika, dia hanokana andro iray ho « clean up day », izayn hoe : hanatanterahana fanadiovana faobe, ny tanànan’i Toamasina sy ny Makua Entertainment.

Lire la suite

Articles Similaires