• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Conim
Image
Vaovao

Fahasalamana : Hiditra ao amin’ny rafitra « Hexagone » ny holafitry ny infirmier eto Madagasikara

30/08/2024 15:50 © Moov

Tapaka ny hevitra taorian’ny Fihaonamben’ny « infirmier » eto Afrika izay notanterahina tany Nosy Be ny herinandro lasa teo fa hiditra ao anatin’ny rafitra « hexagone” ny avy eto Madagasikara. Firenena faha-19 aty Afrika niditra amin’izany rafitra izany i Madagasikara. Firenena miteny frantsay faharoa ihany koa aorian’ny Burundi.

Ainga vao

Rafitra iray lehibe aty Afrika, hifanakalozan-kevitra sy hifampiresahana ireo fanatsarana ilaina rehetra amin’io tontolon’ny fitsaboana io ny Hexagone. Hitondra ainga vao ho an’ny « infirmier » aty Madagasikara araka izany ny fidirana ao. Anisan’ny voka-tsoa azo amin’izany ohatra ny hahafahana mampitombo fahalalana sy manatsara ny fomba fiasa amin’ny alalan’ireo fihaonana isan-karazany amin’ireo samy « infirmier ». Marihina ihany koa fa hanampy tetikasa maro izay mikasika ny fitsaboana ny « Hexagone » ka hahazo zava-baovao amin’izany ireto mpitsabo ireto. « Nandalo fotoan-tsarotra izao tontolo izao taorian’ny fandalovan’ny areti-mifindra nisesisesy teto. Hanampy betsaka ireo « infirmier » avy amin’ireo firenena mpikambana ny fidirana ao anatin’ity Hexagone ity », hoy ny Filohan’ny Holafitry ny « infirmier” ao Burundi, izay tonga nanatrika ity fihaonambe ity. Efa firenena mpikambana amin’izao fotoana izao ohatra i Tanzanie, Uganda, Rouanda, Burundi, Afrique du Sud ary Lesotho sy ireo firenena hafa.

Hatsaraina ny asan’ny « infirmier »

Voaresaka nandritra io fihaonambe io ihany koa ny fanatsarana ny rafitra sy ny asan’ny « infirmier » eto Madagasikara. Anisan’ny fomba iray natao ity fidirana amin’ny « Hexagone » ity. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo « infirmier » maro be aty Afrika. Araka izany, voaantso handray anjara amin’ny andiany faha-16 amin’ny fihaonana lehibe hotanterahina any Lesotho ny Filohan’ny Holafitra. Hotanterahina ny 11, 12, 13 septambra ho avy izao izany. « Tsy maintsy hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny firenena hafa mba hanatsarana ny asa amin’ny alalan’ireo fifampiresahana sy fizarana traikefa. Midika ihany koa ity fandraisana anjara ity fa misokatra amin’ny “infirmier” rehetra maneran-tany isika eto Madagasikara », hoy ny Filohan’ny holafitry ny « infirmier » eto Madagasikara, Botosera Andrianarison. Hatreto, I Burundi aloha no efa nanaiky ny fiaraha-miasa taorian’ny fihaonam-be tao Nosy Be.

Lire la suite

Articles Similaires