• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tetikasa « Diôsezy Maitso » : Mifanolo-tanana amin’ny Fiangonana Katôlika ny ministeran’ny Tontolo Iainana

14/08/2024 08:40 © Moov.Mg

Hiara-hiasa ho fampiroboroboana ny fiarovana ny tontolo iainana ny Fiangonana Katôlika, ao amin’ny diôsezin’Antsiranana sy ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Natomboka tamin’ny fomba ôfisialy omaly ny tetikasa mahakasika izany.

Mpino mandray andraikitra

Mpino mandray andraikitra feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, no tanjona, ka nahatonga ny fiaraha-miasa, ao anatin’izao tetikasa izao. Avaka izany dia ny hisian’ny fiovam-pihetsika eo amin’ny mpino katôlika, mahakasika ny fitandroana ny tontolo iainana no imasoana, amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny fanatanterahana fambolen-kazo. Nanombohana ity tetikasa ity ny diôsezin’Antsiranana, izay ahitana an’Antsiranana I sy II, Ambilobe ary ny faritra SAVA. Omaly 13 aogositra 2024 no nanambarana ôfisialy ny fiaraha-miasa, tao amin’ny efitrano Lucien Botovasoa ao amin’ny Katedralin’Antsiranana, notarihan’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), Fontaine Max Andonirina, ny Arsevekan’Antsiranana Mgr Ramaroson Benjamin Marc, ny Governoran’ny Faritra SAVA, ny Prefet an’Antsiranana, ny solontenan’ny governoran’ny faritra DIANA ary ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana ao amin’ny Faritra DIANA sy SAVA.

Tranobe iombonana

Tsy fanabeazana ara-panahy fotsiny no omen’ny Fiangonana Katolika, fa manabe ny mpino ao aminy ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa izy, araka ny taratasy fanabeazam-panahy (encyclique) « Laudato Si » navoakan’ny papa Fransoa tamin’ny taona 2015, izay mikendry ny fikajiana ny Tranobe iombonana dia ny planeta tany izany. Araka izany, maro ny asa hatao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny MEDD, ka anisan’izany ny fambolen-kazo sy ny fampiofanana ara-tontolo iainana ary ny fanampiana ny Diosezy Maitso amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka. Tanjona ny hiitaran’ny fiaraha-miasa eo amin’ny MEDD sy ny diôsezy rehetra manerana an’i Madagasikara. Raha ny nambaran’ny minisitra hatrany dia ohatra amin’ny fanoloran-tenany ho an’ny tontolo iainana eto Madagasikara, efa nandritra ny fotoana ela, ny Arsevekan’Antsiranana, ary ny fiaraha-mientana toy izao no fanalahidin’ny fahombiazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires