• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintimbaovao : Ireo vaovao nisongadina ny 29 jolay hatramin’ny 4 aogositra 2024

05/08/2024 00:05 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny 29 jolay hatramin’ny 4 aogositra 2024

Fampianarana Ambony # Mitohy ny fitokonan'ny mpianatra eny Vontovorona

Niverina nitokona indray ny mpianatry ny ESPA Vontovorona. Nisy mihitsy moa ny naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana, ka mpianatra iray no voalaza fa voatifitra tao amin'ny faritry ny sekoly. Ny fotoana fandoavana ny vatsimpianarana no takian'izy ireo haroso, satria efa hifarana ny taom-pianarana nefa vao 3 volana monja ny vatsy voaray. Tafiditra ao anatin'ny fitakiana ihany koa ny fanavaozana ny fotodrafitr'asa eny an-toerana, indrindra ny toeram-pidiovana sy fivoahana. Namoaka fanambarana ireo mpianatra eny Vontovorona fa hitohy amin'ity herinandro vaovao ity ny fitakiana, ary tsy hifarana mihitsy izany raha tsy manome valinteny mahafapo ireo tompon'andraikitra.

Kolikoly avo lenta # Afaka madiodio i Romy Andrianarisoa

Nivoaka ny fonja ary afaka madiodio tamin'ny raharaha niampangana azy i Romy Voos Andrianarisoa, talen'ny kabinetra teo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha. Voaheloka 3 taona sy enimbolana an-tranomaizina moa ny tenany, noho ny kolikoly avo lenta izay nitorian'ny orinasa Gemfields azy. Nangataka 5% tamina fanomezana tsenambarotra eto Madagasikara mantsy izy, ka izany no nisamborana sy nitondrana azy teo anoloan'ny fitsarana mahefa tany Londres. Noho ny fitondrantena mendrika tany am-ponja no voalaza fa anton'izao fanapahan-kevitra vaovao izao. Nanambara ny tenany fa tsy meloka velively, tamin'ny fisehoany tao amin'ny TV5 Monde.

JO Paris # Tsy mbola nahazo medaly i Madagasikara

Ratsy ny vokatra tamin'ny Jeux Olympiques Paris 2024, raha ho an'i Madagasikara manokana. Raha tsiahivina, nihintsana tamin'ny lalao voalohany avokoa na i Jonathan Raharvel (Lomano) sy i Fabio Rakotoarimanana (Tennis de Table), tamin'ny herinandro voalohany. Ny herinandro faharoa, niditra an-tsehatra i Laura Rasoanaivo (Judo) saingy resin'ny mpifanandrina aminy ny alarobia lasa teo. Mbola raraka ihany koa i Holy Antsa Rabejaona (Lomano) sy Rija Vatomanga (Hazakazaka) izay niditra an-tsehatra ny faran'ny herinandro lasa teo. Mpifaninana roa izany sisa no ametrahan'i Madagasikara ny fanantenany, dia i Sidonie Fiadanantsoa (Hazakazaka) sy Rosina Randafiarison (Fibatana fonjamby).

Diplaomasia # Nahazo ny ny medaly Amilcar Cabral i Andry Rajoelina

Namaly ny fanasana ofisialy tao amin’ny Lapam-panjakana nokarakarain'ny Filoham-pirenen’i Guinée-Bissau ny Filohampirenena Malagasy. Nisy ny fihaonana manokana tamin'ny Filoha Umaro Sissoco Embaló sy ny Filoha Andry Rajoelina, izay narahana fanaovan-tsonia fifanarahana lasitra hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Notolorana ny medaly Amilcar Cabral ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina, izay mari-boninahitra avo indrindra ao Guinée-Bissau. Heni-boninahitra tanteraka i Madagasikara ary mafy orina ny fifandraisana ara-diplomatika sy ara-pirahalahiana amin'i Guinée-Bissau.

Andry Rajoelina # Nitsidika an'i Angola

Nitodi-doha avy hatrany any Angola ny Filohan’ny Repoblika taorian'ny diany tao Guinée-Bissau. Namaly ny fanasan'ny Filoha João Manuel Gonçalves Lourenço moa ny tenany. Tsiahivina moa fa tamin'ny 8 jolay lasa teo no natao ny fanaovan-tsonia ny fanambarana ny fametrahana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin'i Angola sy Madagasikara. Nisy araka izany ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny sehatra marolafy toy ny akoron'afo sy angovo eo amin'ny firenena roa tonta. Ankoatra ireo dia maniry ny hanokatra fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny fambolena amin’ny firenena malagasy ihany koa i Angola.

E-Fokontany # Fitsidihana ny foibem-pitantanana sy fandraisanana ny angona

Mizotra tsara ny fanantanerahana ny tetikasa "E-Fokontany". Nidina ifotony teny Antanetibe ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-Kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Andriamatoa Tahina Razafindramalo, nijery ny fizotry ny asa izay tontosain’ireo ekipa mandrafitra ny izany asa fanovàna ara-nomerika ireo angona azo. Manodidina ny 400 ny isan’ireto mpiasa izay miasa andro aman’alina eny an-toerana. Maro no asa iandraiketan’ireto ekipa ireto toy ny fandraisana ny rejisitry taratasy izay avy amin’ny Fokontany ary entin’ny ekipa avy any amin’ny Minisiteran’ny Atitany. Misy ihany koa ny fanaraha-maso ny maha ara-dalàna ireo taratasy izay ataon’ny tompon’andraikitra voatokana ary voahofana manokana amin’izany. Rehefa vita ny fikirakirana ireo toro rehetra dia azo atonta ny karinem-pokontany misy QR CODE.

Douanes Malagasy # Ady amin'ny fanondranana antsokosoko

Nanatontosa ny « patrouille de surveillance douanière » Ny Fadintseranana, izay natomboka tany amin’ny faritra avaratra andrefan’i Madagasikara ny faran’ny herinandron’ny volana jolay lasa teo. Notetezina tamin’izany ny tao Analalava, sy ireo nosy kely mifanila aminy ao amin’ny fari-dranomasina avaratra andrefana iny : Nosy Lava, Nosy Saba, Nosy Antanimora, ary Nosy Valiha, mialohan’ny fidinana manaraka ny sisin-dranomasina hatrany any amin’ny farany atsimo, sy hiakarana indray amin’ny sisiny atsinanan’i Madagasikara mandrapahatonga any amin’ny faritra avaratra any Antsiranana. Anisan’ny tanjona amin’izao voalohany izao ny fametrahana ny « cartographie des risques», hanatsarana hatrany ny fitsirihana atao, hahafahana mijery ireo toerana fanaovan’ny mpanao asa ratsy fanondranana antsokosoko samihafa toy ny harem-pirenena samihafa toy ny biby sy zava-maniry, ny harena an-kibon’ny tany, ary eo ihany koa ny mety ho fampidirana sy famoahana zava-mahadomelina.

Fifaninanana fidirana ho mpianatra polisy # Fihodinana faharoa

Nizotra am-pilaminana ary nifarana ny alakamisy 1 aogositra lasa teo ny fihodinana faharoa amin'ny fifaninanana hidirana ho polisy. Tonga avokoa ireo mpiadina izay tokony hiatrika izany. Miisa 1617 ireo rehetra afaka tamin'ny fihodinana voalohany manerana ny Nosy amin'ny sokajy rehetra ka 1200 amin'ireo no ho raisina rehefa avy miatrika ny fihodinana faharoa. 417 zany no hihintsana. Adina am-bava sy fifaninanana ara-panatanjahantena moa no atrehan'ireo mpiadina. Tsy nahitana olana izany satria samy efa niomana tsara avokoa ireo mpifaninana.

SADC # Fampirantiana ireo Vokatra Malagasy any Harare

Nandray anjara tamin'ny fampirantiana tany Harare Zimbabwe ny Malagasy ny herinandro teo, hatramin'ny zoma 2 aogositra. Ny divay, cidre, chips, fromazy, ketchup, tantely sy vokatra malagasy novokarina tamin'ny alalan'ny tetikasa ODOF no nambaboana ireo mpitsidika tamin'izany. Nitsidika ireo tranohevan’ny mpandray anjara ny Filohan’i Zimbabwe, Emmerson Dambudzo Mnangagwa, ny Alarobia 31 Jolay 2024, andro faha-4 anatin’ny hetsika herinandron’ny SADC ankalazaina isan-taona. Maro ireo mpitsidika no liana amin'ny fiaraha-miasa amin'i Madagasikara. Anisan’izany ny mpikarakara ny hetsika sy ireo mpandraharaha izay misokatra amin'ny fifanakalozana ara-barotra sy fifampizarana traikefa. Nambaran'ny Filohan’ny Repoblikan’i Zimbabwe nandritra ny fandraisam-piteneny fa "tonga ny fotoana ahatsapana sy anehoan'ny indostria eto Afrika fahamatorana sy ampitsahatra ny fitarainana lavareny".

Antsirabe # Maherin'ny iray kilao ny trondro iray

Manana dobo fiompiana trondro na "station piscicole" ny sekoly miaramila manofana manamboninahitra lefitra ENSOA ao Antsirabe, faritra Vakinankaratra. Nanatanteraka fitsirihana ny fitombon'ny trondro narotsaka ao amin'ireo dobo eo anivon'izany sekoly izany ny avy ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Vakinankaratra. Ny alarobia 31 jolay lasa teo no nanatanterahana izany fitsidihana izany. Miditra amin'ny fahafito volana fanatavezana izao ny ao amin'ny ENSOA, ary efa milanja mihoatra ny 1,25kg ny trondro iray. Mahavelombolo araka izany ny vokatra hita.

Alaotra Mangoro # Misokatra ny taom-piotazana lavanila

Nosokafana ny Alarobia 31 Jolay 2024 teo tao Andrebakely Avaratra, distrikan'Amparafaravola, ny taom-piotazana lavanila ho an'ny Faritra Alaotra Mangoro. Vory maro ireo mpamboly sy ireo mpanangom-bokatra izay efa niandrandra fatratra izany. Nirosoana ihany koa ny dinika hijerena sahady izay mety ho fanatsarana ity seha-pihariana izay azo lazaina fa mbola vao manomboka mahazo laka any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ity.
Anisan’ireo tonga tany Andrebakely tamin’izao lanonam-panokafana izao ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Alaotra Mangoro sy ny filohan'ny Filankevi-paritra momba ny lavanila (CRV) Alaotra Mangoro.

Nosy Be Hell-Ville # Fihaonan'ny mpisehatry ny toekarena manga

Tontosa ny 30 Jolay 2024 lasa teo ny fihaonan’ny avy ao amin’ny CirPEB Nosy Be sy ny solotena avy ao amin’ny Masoivoho Amerikanina eto Madagasikara, Rtoa Julianna J. Kim sy ny mpiara dia aminy ary ireo Fédération sy Unions Pêcheurs, TGRH, Fikambanana Mpanjono Vevavy ary Fédération GECs avy ao Nosy Be.
Nifototra tamin’ny asan’ireo mpanjono ny dinika natao izay nahitana fivoarana eo amin’ny fihariana trondro noho ny fisian’ny tetikasa teo aloha, Swiofish 2, izay nitondra fahombiazana sy fampandrosoana eo anivon’ny tokatrano ny mpanjono ifitony tamin’ny fahazoan’ireto farany, salotra vonjy aina, fotodrafitr’asa fitehirizana vokatra, ny fananganana ny « Groupement d’Épargne Communautaire » na GEC sy ny « Transfert de Gestion des Ressources Halieutiques » na TGRH.Teo ihany koa ny fanehoana ny asa fanjonoana izay ataon’ireo vehivavy izay mahatsapa ho voailika eo amin’ny tontolon’ny fanjonoana an-dranomasina.

Lire la suite

Articles Similaires