• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Ambatondrazaka : Manomboka miha-tsara ny famokarana lavanila any amin’ny faritra Alaotra Mangoro

02/08/2024 16:49 © Moov

Manomboka maka toerana ny famokarana lavanila any Alaotra Mangoro. Efa mivoatra ny fambolena ary manomboka mitombo ihany koa ny mpamboly sy ny vokatra avy amin’izany.

Misokatra ny taom-piotazana

Nosokafana ny Alarobia 31 Jolay 2024 teo tao Andrebakely Avaratra, distrikan'Amparafaravola, ny taom-piotazana lavanila ho an'ny Faritra Alaotra Mangoro. Vory maro ireo mpamboly sy ireo mpanangom-bokatra izay efa niandrandra fatratra izao fotoana izao. Marihina moa fa mbola vao taona vitsy monja izay no nanomboka namboly lavanila ireo mponina any Ambatondrazaka. Manomboka mahazo vahana izany amin’izao fotoana izao ary manomboka mitombo ihany koa ny mpamboly. Anisan’ny voly hahazoana tombony betsaka any amin’iny faritra Atsinanana iny moa ny voly lavanila ka izay no antony hanandramana ity voly ity any an-toerana. Nandritra io fanokafana ny taom-piotazana lavanila tany an-toerana io ihany koa dia nirosoana ny dinika hijerena sahady izay mety ho fanatsarana ity seha-pihariana ity. Mbola azo lazaina fa vao manomboka mahazo laka any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ity fambolena ity. Anisan’ireo tonga tany Andrebakely tamin’izao lanonam-panokafana izao ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Alaotra Mangoro sy ny filohan'ny Filankevi-paritra momba ny lavanila (CRV) Alaotra Mangoro.

Ozinina mpikirakira lavanila

Efa nanomboka tamin’ny taona 2021 no efa nanana orinasa mikarakara lavanila ry zareo ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ao, izay hita eny Andilanatoby izany. Nahavokatra lavanila voahodina 300kg ity orinasa madinika ity tany am-piandohana. Nanampikasana ny hampiakatra hatramin’ny 7.000 kg izany vokatra izany izy ireo ary efa manakaiky ny tanjona kosa izany amin’izao fotoana izao. Efa manodidina ny 40 amin’izao ny mpiasa ao amin’izany ozinina izany. Zava-dehibe ho an'ny lalam-pihariana lavanila eto amin'ny faritra Alaotra Mangoro ny fijoroan'ny orinasa raha ny nambaran'ny avy ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Tombony tamin’izany ny fisian’ny mpanangom-bokatra ara-dalàna mividy ny vokatr'ireo tantsaha.

Lire la suite

Articles Similaires