• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Comité De La Paix Normalienne
Image
Vaovao

Fampianarana : Nilaza hiezaka hiala amin’ny korontana ny Mpianatry ny ENS

02/08/2024 16:43 © Moov

Nanatanteraka fivoriana lehibe sy dinik’asa niraisana ny mpianatry ny Ecole Normale Supérieure (ENS) manerana ny Nosy androany tao amin’ny ENS Ampefiloha. Tapaka nandritra izany fa hiezaka hiala amin’ny fitokonana sy ny korontana isaky ny hangataka zavatra ireto mpianatra ireto.

Drafitr’asa vaovao

Fivorian’ireo filohan’ny mpianatra sy ireo mpianatra izay afaka rehetra isaky ny ENS manerana ny Nosy izany notanterahina androany izany. Anisan’ny noresahina sy nibahana nandritra io fotoana io ny famolavolana drafitr’asa vaovao. Ity farany ity izay natao indrindra ho fampanajana ny filaminana eo anivon’ny Oniversite. Nanamarika izy ireo fa ny korontana sy ny fitokonana no tena manamarika ireto mpianatry ny Oniversite ireto. Te-hanala izany hevitra raikitra amin’ny olon-tsotra izany izy ireo ka izany indrindra no nisian’ity fivoriana ity. « Tsapanay hoe misy vokadratsy foana ireny fitokonana ireny. Toy ny fahasimbana samihafa sy ny fihatoan’ny fampianarana kanefa tsy izay mihitsy ilay tadiavina. Ity drafitr’asa vaovao ity indray no hampiharina manomboka izao », hoy ny Solontenan’ireo mpianatra. Vaindohan-kevitra amin’izany ny fampanajana ny rafitra sy ny antanantohatra isan-karazany eny amin’ny oniversite mba tsy hiafarana amin’ilay midina andalam-be.

Hamafisina ny firaisankina

Fotoana iray natao hanamafisana ny firaisankina eo amin’ny samy mpianatra ihany koa ity notanterahina androany ity. Mitovy ny tanjona hoy izy ireo ka tokony hiray hina hatrany hahafahana manatratra izany. « Ato amin’ny ENS efa misy ny fikambanan’ny mpianatra hoe SENS na Solidarité des étudiants normaliens supérieur ka izay solidarité na firaisankina izay no hamafisina », hoy hatrany ny fanazavana. Araka ny tapak’izy ireo tamin’ity anio ity raha misy ny azo halamina dia tsy midina andalambe aloha fa mifampiresaka samy mpianatra hikaroham-bahaolana. Tafiditra ao anatin’ny tohin’ny hetsika entina mampanjaka ny fandriam-pahalemana eny anivon'ny anjerimanontolo izay fampiofanana karakarain’ny IRF Tanora ity hetsika androany ity.

Lire la suite

Articles Similaires