• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Fampianarana ambony : Hivoaka ny herinandro ho avy izao ny tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana

02/08/2024 13:21 © Moov

Manoloana ireo hetsika fangatahana hataon’ireo mpianatra eny amin’ny Polytechnique Vontovorona, namaly azy ireo amin’ny ampahany ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika mpisolo toerana, Fidiniavo Ravokatra. Araka ny fanambarany dia havoaka ny herinandro ho avy izao ny tetiandro ho fizarana ireo vatsim-pianarana ary hiroso avy hatrany amin’ny fizarana aorian’izany.

Misy ny antanan-tohatra arahina

Anisan’ny mahatara hatrany ny fizarana ity vatsim-pianarana ity raha ny fanazavan’ny Minisitra ny antanan-tohatra sy ny rafitra rehetra tsy maintsy harahina alohan’ny hamoahana azy io. Mampanantena kosa anefa ny tenany fa hivoaka ny herinandro ho avy izao ireo vatsim-pianarana ho an’ny telo volana faharoa ireo. « Ny filankevitra ny Minisitra tamin’ny 3 jolay dia efa nandefa manontolo ny vatsim-pianarana rehetra saingy mbola misy ireo dingana samihafa tsy maintsy arahina. Ao anatin’izany ny paika tsy maintsy handalovana toy ny any amin’ny fomba famoahana volam-panjakana », hoy hatrany ity Minisitra ity. Tafiditra tao anatin’ny dingana narahina ihany koa ny fampidirana ny antontan-taratasin’ireo mpianatra miisa hatramin’ny 3 000 izay mbola tsy nisitraka ny vatsim-pianarana telo volana voalohany sy ny fampitaovana. Efa mandeha izany rehetra izany amin’izao fotoana izao ary tsy maintsy samy hisitraka izany vatsim-pianarana rehetra izany ny mpianatra rehetra izay voamarina fa mbola mpianatra eny amin’ny Oniversite.

Hitohy ny fitakiana

Mifandray amin’izany rehetra izany dia nanambara ireo mpianatra eny anivon’ny Polytechnique Vontovorona fa hanohy ny fitakiana hatrany raha tsy mahita porofo mivantana fa mivoaka io tetiandro sy io vatsim-pianarana io. « Efa leo fampanantenana paokaty izahay ka tohizanay hatrany ny fitakiana mandra-pivaly ireny rehetra ireny », hoy ny Filohan’ny Mpianatra. Raha tsiahivina dia ny fandoavana ny vatsim-pianarana hatrany no notakian’izy ireo. Ankoatra izany ny fanavaozana ny fotodrafitrasa toy ny tranon’ny mpianatra ary ny fampidirana ny « connexion ». Nanamafy izy ireo tao anatin’izany fa hitohy ny tolona mandra-pivaly ireo fangatahana rehetra ireo. Efa azo antenaina kosa anefa ny hisian’io fanamboarana ny fotodrafitr’asa io raha ny fanambaran’ny Minisitra hatrany. « Manaraka ny dingana avokoa ny zavatra rehetra ary efa miroso amin’ny fanomezana ny tsenambaro-panjakana ho an’ireo mpandrahara ny Ministera amin’izao fotoana izao », hoy hatrany ny tenany.

Lire la suite

Articles Similaires