• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fampianarana : Mbola betsaka ireo tanora tsy mahalala ny lalana alehany aorian’ny bakalôrea

01/08/2024 16:12 © Moov

Manomboka any amin’ny ambaratonga fahatelo ny mpianatra no mila efa mahafantatra ny lalana tiany haleha sy hivoarany. Mbola sarotra anefa ny manatanteraka izany eto Madagasikara. Mbola maro ireo tanora malagasy no sahirana amin’ny fanapahan-kevitra ho raisiny aorian’ny bakalôrea. Izany no antony hanatanterahana ny hetsika « Carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi », izay notanterahina androany ny fampahafantarana azy.

Ao amin’ny Alliance Française Andavamamba no hanatanterahana izany ny 6 hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Efa miditra amin’ny andiany fahavalo ny hetsika amin’ity taona ity.

Fanampiana sy torolalana

Haharitra dimy andro ny hetsika. Fotoana iray hahafahan’ny tanora mahita ny lalana tokony alehany ity fotoana iray lehibe ity. Natao ho an’ny mpianatra sy ireo olona andalam-pikarohana asa izy ity. « Fotoana hifanenan’ny mpianatra sy ny oniversite ary ny mpiasa sy ny orinasa ity fotoana ity. Ao anatin’izany dia afaka mahita izay lalana tiany ho diavina ny tanora na eo amin’ny asa izany na eo amin’ny fianarana tokony ho tohizany », hoy i Hadrianna Rajerinera, avy ao amin’ny AFT, izay mpikarakara ny hetsika. Raha ny teny filamatra nitondrana ity andiany ity dia ny hoe « ho amin’ny fahitana ny soa fanararaotran’ny rahampitso ». Araka izany dia hatambatra ho amin’ny toerana iray ny soa fanararaotra rehetra na ho an’ireo mpianatra na ho an’ireo mitady asa na ihany koa ireo orinasa sy sekoly afaka manome tolotra ho azy ireo. Ankoatra izany dia hanome torohevitra ireo tanora ireo ihany koa ireo mpandray anjara rehetra ireo mba hahafahan’izy ireo mahita ny lalany.

Trano-heva hatramin’ny 40

Orinasa sy sekoly maro no miara-miasa amin’ny AFT amin’ity hetsika ity. Araka izany dia ahitana trano eva hatramin’ny 40 io fotoana io. Hialohavan’ny atrikasa sy ny famelabelaran-kevitra samihafa anefa io fotoana hisian’ny fampirantiana sy fanolorana asa isan-karazany io. Ho resahina ao anatin’izany ny sehatra maro isan-karazany ahitana torohevitra sy fampahafantarana ihany koa. Anisan’ny horesahina ohatra ny sehatry ny fifandraisan-davitra, fizahan-tany sy ny fandraisam-bahiny, ny fandraharahana, ny « design » sy ireo maro hafa. Toy ireo andiany rehetra teo aloha dia mpitsidika maherin’ny 8 000 no andrasana mandritra ireo 5 andro ireo. Efa tanora maro ihany koa no nahita asa tamin’ity hetsika ity ka izay no antony mbola hanohizana azy.

Lire la suite

Articles Similaires