• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Tribune De Diego
Image
Vaovao

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany : Manadio ny antontan-kevitra ao amin’ny Biraoan’ny Kadasitra ny Ministera

01/08/2024 15:22 © Moov

Ho fiverenana amin’ny fanomezana fahazoan-dalana mitrandraka, ao anatin’ny fanadiovana ny antontan-taratasy ao amin’ny Biraon’ny Kadasitra (BCMM) ny Ministera amin’izao fotoana izao. Aorian’izany dia ho fantatra ireo orinasa mbola afaka mitrandraka harena an-kibon’ny tany sy ireo orinasa efa tsy eto intsony ary ireo izay vao nangataka ny hanao izany.

Didy fampiharana

Raha tsiahivina dia nankatoavina ny volana avrily 2023 ny fehezan-dalàna vaovao momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Ny 25 jolay lasa teo kosa no nivoaka ny didy fampiharana izany. Araka izany dia efa ao anatin’ny fampiharana io fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany isika eto Madagasikara. Dingana voalohany amin’izany ity fanadiovana ny biraon’ny Kadasitra ity. « Tsy maintsy hidirana ity dingana ity mba hahafahana mahafantatra ny isa marina sy ny anaran’ireo orinasa mbola miasa eto amintsika amin’izao. Efa maro manko ireo orinasa no efa tsy niasa teto amintsika intsony », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany. Havaozina ny antontan-taratasy rehetra araka izany mba hampilamina indray ny fitrandrahana rehetra ho avy eo.

Fehezan-dalàna vaovao

Araka ny efa fantatra dia efa fehezan-dalàna momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaovao indray izao no miasa eto Madagasikara. Ny taona 2005 no nisy fanavaozana izany farany ka ity tamin’ny taona 2023 ity indray. Maro tokoa manko ny olana niseho teny amin’ireny toeram-pitrandrahana isan-karazany ireny ka tsy maintsy navaozina ny fehezan-dalàna mba handaminana izany indray. Nandritra ny fotoana naharitra dia niato ny fanomezana fahazoan-dalana mitrandraka, vokatr’izany rehetra izany. Aorian’ity asa fanadiovana ny antontan-taratasy ity dia hiverina indray ny fanomezana fahazoan-dalana ho an’ireo orinasa izay nangataka izany, raha ny fampanantenan’ny Ministera. Ity lalàna vaovao ity ihany koa dia nasiam-panavaozana. Zava-dehibe indrindra ao anatin’izany ny fijerevana ny tombontsoan’ny daholobe fa tsy ny ho an’ny orinasa irery ihany.

Lire la suite

Articles Similaires