• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Paubert Beyndrova
Image
Vaovao

Fifamoivoizana : Mandany ora 2 hatramin’ny 3 ny mamita ny lalana Anosizato – Alakamisy Fenoarivo

01/08/2024 13:14 © Moov

Mampitaraina ny mponina amin’iny lalam-pirenena voalohany (RN1) iny toham-boivoy lavareny. Nilaza izy ireo fa mandany hatramin’ny ora 2 hatramin’ny 3 ny famitana ny lalana miala eo Anosizato mankeny Alakamisy Fanoarivo. Nanamarika moa ireto mpampiasa lalana ireto fa ny fanajanonana ny fanaovana « double sens » no tena niteraka ity fitohanana ity.

Avereno ny « double »

Miteraka resa-be eo amin’ireo mponina amin’iny faritra iny ao anatin’ny tambazotran-tserasera Facebook ao ity fanajanonana ny fanaovana double ity. Ity farany ity moa raha ny marina dia fomba iray natao handefasana mandritra ny fotoana maharitra ny mpandeha avy amin’ny lalana iray. Anisan’ny nanala azy ireo tamin’ny fitohanana ela loatra izany teo aloha teo ary angatahin’izy ireo kosa ny hamerenana io fomba fiasa iray io. Nanomboka ny alatsinainy teo raha ny fanazavan’ireto mponina any an-toerana ireto no niverina ity fitohanana ity ary izao lasa mahery vaika izao. Araka izany dia maro amin’ireo mponina sy mpampiasa iny lalana iny no mangataka indray ny hamerenana ny double saingy tsy hatao ela loatra anefa izany. Raha ny fahitana ny eny amin’iny lalana iny dia mijanona ela ary mamono maotera mihitsy ireo fiara miandry ny fivahan’ny lalana avy any aminy tsirairay indray. Miteraka fatiantoka indrindra amin’ireo mpitatitra tsotra ity olana ity. Etsy andaniny anefa dia mila hikaroham-bahaolana ihany koa ireo fiara misongona izay mbola manampy ny fisehon’ity fitohanana ity.

Vahaolana avy amin’ny CIRGN

Niezaka naka hevitra tamin’ireo mpampiasa lalana araka izany ny Zandarimaria any an-toerana. Taorin’izany no nanomezan’izy ireo vahaolana amin’io fitohanana lavareny io. Naverina sy nasiana fotoana manokana ny « double » izay efa nangatahin’ireo mpampiasa lalana. Tsapan'ireo zandary misahana iny faritra iny fa ny famerenana amin'ny ampahany sy ara-potoana ny 2x1 na "double" sy ny "voie alternée accéléré » no vahaolana. Araka ny fandaminana dia ferana ho 20 minitra hatramin'ny 30 minitra ny fanaovana double
Ny maraina :
05 h 50 hatramin’ny 06 h 15 (double miakatra) dia miverin tsotra.
06 h 30 hatramin’ny 07h00 (double miakatra) ary miverina amin’ny mahazatra rehefa avy eo.
07 h 30 mandroso sy miverina izay tapahina manomboka eo amin’ny Mateza tôle (double miakatra dia mivaly midina). Hatao foana izany mandra-pizotra milamin'ny fifamoivoizana
Ny hariva
15 h 45 double miakatra dia mivaly double midina
16 h 30 double miakatra dia mivaly double midina
17 h 00 double miakatra mandritra ny 20 minitra. Tapaka eo amin'ny Mateza tôle dia double midina be amin'izay satria amin'io ora io no tena mitohana ny avy aty andrenivohitra. Araka izany dia manantena ny fahaizan’ny rehetra manaiky ny fandaminana ny Mpitandro filaminana.

Lire la suite

Articles Similaires