• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Un Madagascar
Image
Vaovao

Famaranana fiaraha-miasa : Tonga nanao veloma ny Filohan’ny CENI ny Solontenan'ny PNUD Natasha Van Rijin

01/08/2024 09:00 © Moov

Tapitra ny fe-potoam-piasan’i Natasha Van Rijin, Solontenan'ny fandaharanasan'ny firenena mikambana miasa sy monina eto Madagasikara. Tonga nanao veloma ny Filohan’ny Voamieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) ny tenany omaly. Nankasitraka ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny roa tonta izy tamin’izany.

Nahafa-po ny fifanohanana

Samy nihaiky ny roa tonta tamin’izany fa nahafa-po ny fifanampiana sy ny fifanohanana nandritra ny fanatanterahana ny fifidianana izay efa nandeha teo aloha. Tao anatin’izany ny fifidianana filoham-pirenena notanterahina ny volana novambra 2023 lasa teo. Teo ihany koa ny fifidianana solombavambahoaka ny volana mey teo. « Izany fifanomezan-tanana izany dia nitana anjara toerana lehibe tamin'ny fampandehanana ny zotram-pifidianana roa nifanesy ireo izay natrehina teto amin'ny Firenena », hoy ny Filohan’ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo. Nahomby ny fomba fiasa rehetra ary naneho ny fahafaham-pony tamin'ny ezaka rehetra nataon'ny CENI ity Solontena ity. « Fifidianana mangarahara no notanterahina teto tamin’izany fotoana izany ka miarahaba ny rehetra izay afaka nandray anjara tamin’izany », hoy kosa ity farany. Maneho ny fifanohanana sy fifanampiana eo amin'ny PNUD sy CENI, izao fihaonana izao. Tanjona amin’izany ny fampanjakana ny tany demokratika ary taratry ny fifanomezan-tanana sahady ho amin'ny fifidianana ho avy rehetra.

Hitohy ny fiaraha-miasa

Naniry ny Filohan’ny CENI ny hitohizan'izany fiaraha-miasa mahomby izany ho amin'ny fiatrehana ny fifidianana Ben'ny tanana sy ny mpanolotsaina. Ity farany izay heverina ho tanterahina ny 11 Desambra 2024 ho avy izao. Nanamafy ihany koa i Natasha Van Rijin ny amin’izany fitohizam-piaraha-miasa izany mba hahamafy orina hatrany ny demokrasia eto Madagasikara. Raha tsiahivina moa dia ny PNUD hatrany no nanohana ara-bola teo amin'ny fanontana printy ireo taratasim-pifidianana rehetra. Izy ireo ihany koa no nanatanteraka ny fanabeazana ara-pifidianana izay heverina ho manan-danja indrindra teto Madagasikara. Araka izany dia mbola maro ny ilaina azy ireo amin’ireo karazam-pifidianana mety mbola ho avy.

Lire la suite

Articles Similaires