• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fondation Axian
Image
Vaovao

« Orphelinat Mamitiana » : Ankizy 50 isa no nomen’ny Fondation Axian tohana

31/07/2024 16:52 © Moov.Mg

Rehefa mandeha amin’iny lalam-pirenena faharoa mihazo an’i Toamasina iny ianao, rehefa avy mandalo ilay sampanana miakatra mankany an-tampon’Ambohitrombihavana, mitodika miankavia dia hahita trano miloko volomparasy tanora ao anatinaty tanàna ao, ery ampitan’ny tanimbary. Ao no misy ny ivon-toerana fitaizana ankizy « Orphelinat Mamitiana ».

Ankizy tsy misy mpiahy

Ankizy 50 isa, herintaona hatramin’ny 16 taona, no taizaina ao amin’ny « Orphelinat Mamitiana », eny Ambohitrombihavana, kaominina Ambohimangakely, Distrikan’Antananarivo Avaradrano. Misy amin’izy ireo no kamboty, tsy manan-dray aman-dreny intsony, misy ireo narian’ireo mpitaiza azy, misy ihany koa no zaza kambana avy any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy any, ka navotana tamin’ny loza izay mety ho nahazo azy, noho ny fomban-tany izay mbola mifady ny fitaizana kambana. Ireo no taizan-dRakotoniaina Hary, renim-pianakaviana nanokan-tena hiompana amin’ireo zaza tsy misy mpiahy. Araka ny fitantarany dia ny tranga niainany no nahatonga azy hanapa-kevitra hanangana ity ivon-toerana ity. Vao 7 taona monja mantsy ny zanany faralahy no nodimandry ny vadiny. Tsapany tamin’izany ny fahoriana mety iainan’ny zaza kamboty. Ny taona 2012 no nanorenany ny « Orphelinat Mamitiana » teo amin’ny tany izay nolovainy tamin’ny rainy. Ny taona 2013 no nanomboka nandray ankizy tsy misy mpiahy ny ivon-toerana.

Kojakoja ilaina andavanandro

Olona tsara sitrapo no nanolo-tanana an-drtoa Rakotoniaina Hary hatramin’izay, ka nahafahany nikarakara ireto zaza taizainy ireto. Tsy misy ny fandraisan’anjara avy amin’ny fianakavian’ireo ankizy, fa maimaim-poana avokoa ny fikarakarana azy ireo. Manampy tosika izany ny fambolena legioma, izay tohana ara-tsakafo ho azy ireo ; eo ihany koa ny fanaovana petakofehy, izay manampy amin’ny fidiram-bola. Fa tena manampy betsaka ny ivon-toerana ny fanomezana atolotr’ireo malala-tanana, tahaka izay nataon’ny Fondation Axian androany 31 jolay 2024. Gonim-bary miisa 3, koba 50 kg, bodofotsy 50 isa, menaka ary savony no natolotr’izy ireo tamin’izany. Araka ny fanazavan-dRazakamanantsoa Jessica, tomponandraikitry ny fifandraisana amin'ny fiarahamonina (community relation manager) eo anivon’ny vondron’orinasa Axian, dia miezaka izy ireo ny hamaly ny tena filàn’ny akany, antony nanolorana izao kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izao.

Miantso ireo mpisehatra rehetra

Mialohan’ny hanolorana fanomezana dia misy mihitsy ny fidinana ifotony tanterahina, hoy hatrany ny fanazavana, ka amin’izany fotoana izany no ifampiresahana amin’ireo tomponandraikitry ny ivon-toerana sy ireo ankizy taizaina, mba hamantarana ny tena filàna marina. Manomboka eto dia ho zary asa fanasoavana fanaon’ny vondrona Axian isam-bolana izao fanampiana sy fanohanana ivon-toerana mitaiza zaza tsy misy mpiahy izao, hoy hatrany Razakamanantsoa Jessica. Tafiditra ao anatin’ny hetahetan’ny vondrona Axian hanampy ifotony ny olona manana fahasahiranana eto Madagasikara izany, araka ny nambarany. Fomba entin’ny Axian miantso ireo mpisehatra rehetra ihany koa, mba hanohana ireny akany ireny, satria maro dia maro ny ivon-toerana fitaizana zaza kamboty eto Antananarivo sy manerana an’i Madagasikara, ary samy mila fanampiana avokoa izy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires