• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cu Sambava
Image
Vaovao

Varo-maizina : Tafiakatra hatramin’ny 10 000 ariary ny vidin-tsolika any Sambava

31/07/2024 16:29 © Moov

Miaina tsy fahatomombanan’ny vidin’entana ihany koa ny any Sambava amin’izao fotoana izao. Ankoatra ireo entana ilaina amin’ny andavan’andro dia efa tonga hatrany amin’ny vidin-tsolika ihany koa ny varo-maizina. Mahatratra hatramin’ny 10 000 ariary amin’izao ny vidin-tsolika any an-toerana noho ny hafitsok’ireo mpanodina izany any amin’ny sisiny.

Faharatsian’ny lalana

Raha tsiahivina dia misy fahasimbana goavana ny lalam-pirenena faha-enina teo aloha teo. Na dia efa miasa aza ireo familian-dalana izay namboarina dia mbola misy hatrany ireo manao varo-maizina amin’ny resaka solika. Noho ny faharatsian’ny lalana manko dia tsy ampy ny famatsiana ka misy ireo manangona izany antsokosoko sy mivarotra izany indray amin’ny vidiny lafo. Etsy andaniny dia azo lazaina ho antony mampisy izany ihany koa ny tsy fahampian’ny toby mpaninjara solika. « Noho ireo olana ireo dia mitambatra ireo mpandraharaha isan-tokony ka mivarotra izany amin’ny vidiny hafa. Azo lazaina anefa fa ain’ny fiainan’ny olona ny fitaterana ka tokony hikarohana vahaolana izany tsy fahampian’ny famatsiana izany », hoy ny hevitr’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Raha i Sambava manokana amin’izao fotoana izao dia miantoka ny fiakarana na tsia ny vidim-piainana any an-toerana amin’izao fotoana izao ny fitaterana.

Enjehin’ny lalàna

Tsara ny manamarika fa voararan’ny lalàna ny varo-maizina ka tokony handraisana fepetra izany. Ireto mpiaro ny zon’ny mpanjifa ireto no mampiakatra ny feo mba handraisan’ny Tompon’andraikitra isan-tokony ny andraikitra mifanaraka amin’izany. « Manimba ny fiaraha-monina ny varo-maizina amin’ny sehatra rehetra. Anisan’ny antony iray mampiakatra ny vidim-piainana io ka tokony ho fongorina », hoy hatrany ity Mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity. Anisan’ny tokony arahi-maso akaiky amin’izany ny mpandraharaha sy ireo mpiasa amin’ny toby mpaninjara solika isan-karazany amin’io endrika fanararaotana ny mpanjifa io. Amin’ny ankapobeny dia efa saika manerana ny Nosy no ahitana izany varo-maizina izany ka tokony hikaroham-bahaolana.

Lire la suite

Articles Similaires