• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf
Image
Vaovao

Andro manerantany ho an’ny polisinala : Mafy ny asa fiarovana ny voahary hoy izy ireo

31/07/2024 15:52 © Moov

Anisan’ny mankalaza ny andro maneran-tany ho an’ireo polisinala isika eto Madagasikara androany. Maro ireo fiantso azy, toy ny hoe mpisafo ala, polisindrano, na polisinala … Iray ihany anefa ny tanjony dia ny hiambina ireo karazanjavamananaina. Ao anatin’izany asa izany no nanambaran’izy ireo fa tsy mora ny fanatanterahana azy.

Mandeha tongotra alavitra

Mbola vitsy hatrany aloha amin’izao fotoana izao ireo polisinala ireo. Mbola avy amin’ireo fikambanana mpiaro ny ala sy ny tontolo iainana hatrany ny famatsiana azy ireny amin’ny ankapobeny ka antony iray mahavitsy azy ireo. Azo lazaina ho mpilatsaka an-tsitrapo ihany koa izy ireo. Araka izany dia mbola maro ireo fahasarotana amin’ny fanatanterahana ny asa. Ao anatin’izany ihany koa anefa ny fahalaviran’ireo toerana mila arovana sy mila jerena matetika toy ny valan-javaboahary natoraly. Eo ihany koa ny angezan’ny toerana iray mila arovana ka mampanano sarotra ny fanatanterahana ny asa. Etsy andaniny anefa dia tsy mitaraintanamiepaka izy ireo fa miezaka hatrany manatanteraka ny asa. Amin’ny ankapobeny dia manao fisafoana indro isam-bolana eny amin’ireo faritra mila arovana ny ankamaroan’izy ireo. Ireo izay tena toerana hatahorana kosa dia hanaovana fidinana antsehatra indroa isaky ny herinandro.

31 jolay

Ankalazaina isaky ny 31 jolay ity andro lehibe ho an’ireto mpiaro ny tontolo iainana eny ifotony ireto. Maneran-tany no hankalazana izany ary anisany i Madagasikara. Fotoana iray natao hahatsiarovana ireo polisinala maty am-perinasa kanefa ihany koa entina hankaherezana ireo mbola miasa ity fotoana ity, raha ny fanazavan’ireo fikambanana manana polisinala sasany. Raha ny fanazavana hatrany dia ireo mponina eny ifotony manamorona ireo faritra arovana rehetra ihany no manao ity asa ity. Raha ny eto Madagasikara manokana amin’izao dia efa misy ireo vehivavy polisinala na dia mbola mitana ny isa betsaka aza ny lehilahy. Ankoatra izany asa fiarovana ny zavaboahary izany dia mampahafantatra ny fokonolona ny fisian’ny faritra arovana izay voarara tanteraka ny fitrandrahana rehetra ihany koa izy ireo. Efa maro amin’izao fotoana izao ireo fikambanana manao ny ezaka hanohanana ireny polisinala ireny.

Lire la suite

Articles Similaires