• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Soatransplus
Image
Vaovao

Fitaterana : Hisy fiakarany 5 000 ariary ny saran-dalana amin’ireo kaoperativa ivelan’ny toby fiantsonana

31/07/2024 14:46 © Moov

Efa iray volana izay no nanambarana ity fiovana ity. Nanamboatra ny saran-dalana amin’ireo zotra nasionaly ny kaoperativa mpitatitra ivelan’ny Toby fiantsonana. Nahitana fiakarany 5 000 ariary avokoa ny saran-dalana amin’ireo zottra nasionaly rehetra miainga eto Antananarivo.

Zotra nasionaly maro

Voaray ao anatin’izany fanitsiana saran-dalana izany avokoa ireo zotra mampitohy an’Antananarivo amin’ireo faritra lehibe hafa. Raha ho an’ny Kaoperativa Soatrans manokana ohatra dia niakatra ho 70 000 ariary ny mankany Mahajanga. Toamasina lasa 45 000 ariary ary 50 000 ariary ho an’ny Fianarantsoa. Niakatra ihany koa ny mankany Manakara izay lasa 65 000 ariary raha lasa 80 000 ariary kosa ny mankany Farafangana. Ny zotra mandeha any Morondava irery ihany no tsy nasiam-panitsiana. Etsy andaniny dia tsy nanitsy ny saran-dalana ho an’ny zotra rezionaly ihany kosa izy ireo. Ao anatin’izany ny zotra mampitohy an’Antananarivo amin’ny Antsirabe, Ambatolampy, Antanifotsy ary Ambohimandroso. Raha ny fanazavana hatrany dia noraisina izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny fifampidinihana tamin’ny Ministeran’ny fitaterana sy ireo kaoperativa miasa ivelan’ny toby fiantsonana ary ireo miasa ao amin’ny toby fiantsonana manerana an’Antananarivo.

Faharatsian-dalana

Anisan’ny mampikaikaika ny mpanao zotra nasionaly sy rejionaly ny faharatsian’ny lalana amin’izao fotoana izao. Anisan’ny antony iray nahatonga izao fanitsiana saran-dalana izao ihany koa izany, raha ny fanazavana. « Mampitombo ny vola mivoaka ny faharatsian’ny lalana izay mahatonga ny fikojakojana ho mafimafy kokoa. Tsy maintsy namboarina io saran-dalana io araka izany mba hahafahana mameno ny banga », hoy ny fanazavana avy ao amin’ny Kaoperativa Soatrans. Nanamarika izy ireo fa ireo fiara manao zotra nasionaly no tena ahitana izany fiantraikany izany ka antony tsy nampiakarana ny saran-dalana ho an’ny zotra rezionaly. Nanamarika hatrany ity Kaoperativa ity fa efa nisy ny fampahafantarana mialoha teo amin’ny iray volana teo ny momba ity fampiakarana saran-dalana ity.

Lire la suite

Articles Similaires