• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Vaovao

Mahajanga : Mampimenimenina ny mponina ny fahatapahan-jiro mifandimby

31/07/2024 10:42 © Moov

Tsy eto Antananarivo irery, hiainan’ny mponin’ny Mahajanga amin’izao fotoana izao ihany koa ny fahatapahan-jiro mifandimby. Nanao fampilazana tao amin’ny pejiny ny Jirama Boeny fa voatery miroso amin’ny fahatapahana mifandimby isaky ny adiny telo amin’ireo faritra rehetra ao Mahajanga izy ireo. Olana eo amin’ny fitaterana solika hatrany no anton’izany.

Naharitra hatramin’ny 18 ora

Mitaraina ireo mponina. Efa nanomboka tamin’ny alakamisy lasa teo ny fahatapahan-jiro mifandimby. Raha ny filazana dia tokony ora telo teo no nahatapahan’ny jiro ho an’ireo faritra miisa hatramin’ny 22 tao Mahajanga. Niova anefa ny fisehon-javatra hoy ireo mponina raha naharitra efa hatramin’ny 18 ora ny fahatapahana ho an’ireo tanàna samihafa. « Tsy nahazo jiro izahay nanomboka tamin’ny 11 ora alin’ny sabotsy hatramin’ny 2 ora tolakandro ny ampitson’io andro io. Io alahady io ihany koa dia nitovitovy tamin’izay. Betsaka ny zavatra tsy mandeha noho io olana io », hoy ireo mponina any an-toerana. Amin’izao anefa dia mbola mitohy hatrany io fahatapahan-jiro io. Efa manomboka mitombo ny olana aterak’izany. Raha tsy hiteny afatsy ny fikatonan’ireo toerana fanamboarana volo sy ireo toeram-pivarotana mila jiro foana.

Fotoam-pialantsasatra

Anisan’ny mampitombo ny fahatezeran’ireo mponina any an-toerana amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao izany olana eo amin’ny famatsiana izany. Miteraka olana eo amin’ny rano ihany koa. Mitombo anefa ny olona any an-toerana ka tokony hampiakatra ny fidiram-bola izany saingy ny mifanohitra amin’izany no hitan’izy ireo. « Rehefa tapaka ny jiro dia tsy mahalafo ninoninona izahay. Mafana anefa ny andro tokony hahazo tombony betsaka izahay amin’izao fotoana izao. Simba daholo ny fidiram-bola », hoy ity mpivarotra « glaces » iray ao an-tampon-tanànan’ny Mahajanga. Fotoana iray mampitombo ny olona mifamezivezy any an-toerana izao ka mangataka ny mba hiverenan’ny famatsiana amin’ny laoniny ny mponina. Nanamarika anefa ny orinasa JIRAMA fa efa mifandray hatrany amin’ireo orinasa mpitatitra mba hanafainganana io fitaterana io.

Lire la suite

Articles Similaires