• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Boriborintany voalohany : Hanomboka amin’ity volana aogositra ity ny fanamboarana ireo lalana tena simba

31/07/2024 09:22 © Moov

Vinavinain’ny Boriborintany voalohany hatomboka amin’ny fiandohan’ity volana aogositra ity ny fanamboarana ireo lalana tena simba ao aminy. Ao anatin’izany ny lalana eny Andohatapenaka, miala eo amin’ny Coco Plastika hatreo amin’ny Vatobe, ao ihany koa ny lalana eo Ambodifilao sy Ambodin’Isotry. Mampikaikaika ny mponin’Antananarivo ireo lalana ireo nandritra ny fotoana ela ka izany no antony hanaovana ity asa ity ho laharam-pahamehana.

Vitaina alohan’ny fifidianana

Anisan’ny vinan’ny Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Tanànan’Antananarivo (PDS) ny hanarina ireny fotodrafitrasan’ny lalana ireny. Araka izany, raha ny vinan’ny avy ao amin’ny Boriborintany voalohany dia ho vitaina alohan’ny fifidianana izay mety ho fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny PDS ireo lalana ireo. « Ezahina tratrarina izay tanjona izay ary tokony ho tratra. Amin’ny ankapobeny aloha dia efa vonona izahay fa ny dingana samihafa no mbola mahatonga azy ho ela ela kely. Efa ao anatin’ny fifanarahana amin’ireo mpamatsy vola izahay izao », hoy ny Delegen’ny Boriborintany voalohany. Anisan’ny fotodrafitrasa tokony ho vitaina farany izay haingana rahateo ireo lalana ireo raha ny olan’ny mpampiasa azy ireny no jerena. Raha ny fanazavana hatrany dia efa nisy ny mpiara-miombon’antoka namaly ny antso ary hitohy amin’ny fandefasana antso ho an’ireo orinasa mety hanatanteraka ny asa izany dingana izany rehefa avy eo. Marihina ihany koa fa manamboatra ny ampahan-dalana eo Andohatapenaka io ihany koa amin’izao ny ekipan'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy.

Lalana hafa eto Antananarivo

Ankoatra ireo ao amin’ny Boriborintany voalohany ireo dia mitohy ny asa fanamboarana ireo lalana mila izany eto Antananarivo rehetra. Isan'ireo ampahan-dalana asiam-panamboarana ihany koa ny lalana mampitohy ny BATPRO Soanierana ka hatreny amin'ny Croisement Capsat sy Ankadilalana. Eo ihany koa ny lalana mampitohy ny Rond-point Ambanidia # Mandroseza# Rond-point Alasora, izay atao "chaussée bétonnée". Ny lalana mampitohy an'Ankadilalana# rond-point Tsimbazaza (Galana), misy ny asa fanamboarana ireo lavaka rehetra na "nids de poule" sy fanatsarana ny arabe. Amboarina ihany koa ny lalana mampitohy ny Villa Berlin# Ambatoroka Ambany ka hatrany amin'ny Shell Ambanidia, ary ny lalana eo amin'ny tetezana Iavoloha, misy ny fandrakofana tara sy ny fanamboarana isan-karazany. Ankoatra izany anefa dia hasiam-panamboarana ihany koa ireo rarivato, "mur de soutènement" ary ireo asa fanarenana vonjimaika maro hafa manerana an’Antananarivo, izay asa sahanin’ny Ministeran’ny asa vaventy avokoa izany.

Lire la suite

Articles Similaires