• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min San
Image
Vaovao

Fitantanana ny fako eny amin’ny tobim-pitsaboana : Nanolotra « incinérateurs » 38 isa ny BADEA

31/07/2024 08:14 © Moov.Mg

Ho fanatsarana ny fitantanana ny toeram-pitsaboana eto Madagasikara dia nanolotra fitaovana fandoroana fako ara-medikaly (incinérateur) ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana ara-Toekarena aty Afrika (BADEA).

Ho fisorohana ny loza

Ny fandorana ny fako ara-medikaly no fomba azo antoka indrindra hisorohana ny loza mety hateraky ny fako miparitaka eny amin’ny tobim-pitsaboana. Isan’izany, ohatra, ny fifindran’aretina avy amin’ny fitaovana misy otrikaretina, na ny akora simika mety hiteraka aretina sy fahasimban’ny tontolo iainana… Maro anefa ireo hôpitaly tsy manana fitaovana fandoroana fako ara-medikaly eto amintsika, ka mety hitera-doza izany, na ho an’ireo mpitsabo na ho an’ireo marary. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny BADEA, dia hisitraka fitaovana fandoroana fako ara-medikaly ny toeram-pitsaboana 38 isa manerana ny Nosy. Hôpitaly lehibe miisa 16 eny anivon’ny Faritra sy hôpitaly 22 eny anivon’ny Distrika, no hizarana izany fitaovana izany.

Fijerena manokana ny maha-olona

Tafiditra ao anatin’ny pôlitika ankapoben’ny Fanjakana ny fampitaovana tahaka izao, ao anatin’ilay andry « fijerena manokana ny maha-olona », araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely Arivelo. Voakasik’ity andry voalohany ity mivantana mantsy ny tontolon’ny fitsaboana. Tsy mety, hoy izy, raha fanjaitra na zavatra hafa avy nampiasaina tamin’ny marary, no ariariana fotsiny, fa ilaina ny mamotika azy ireny. Misoroka fahavoazana maro tokoa mantsy ny fahafehezana ny fako ara-medikaly, fa sady miantoka ny fahadiovan’ny tobim-pahasalamana, no miaro ny mpitsabo sy ny marary amin’ny mety ho fifindran’aretina tsy nahy, ary mitandro ny tontolo iainana tsy ho simban’ny fako na ny entona simika ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires