• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Jité
Image
Vaovao

ESPA Vontovorona : Hitohy foana ny fitokonana mandra-pivalin’ny fangatahana

30/07/2024 16:25 © Moov

Androany maraina tamin’ny 5 ora sy sasany no nanomboka nanao fitakiana ireo mpianatra eny amin’ny Polytechnique Vontovorona. Nandoro kodiarana teo ivelan’ny sekoly izy ireo niaraka tamin’ny filanjana taratasy milaza ny fitakiany. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo ary nandritra izany no nilazany fa tsy hijanona ny fitakiana raha tsy mivaly ny fangatahana.

Fampanantenana poakaty

« Leo fampanantenana poakaty izahay na amin’ny lafiny fotodrafitrasa izany na eo amin’ny connexion izay angatahinay sy ny vatsim-pianarana tokony sitrahinay », hoy ny solontenan’ireo mpianatra. Raha tsiahivina dia efa talohan’ny fanadinana bakalôrea no tokony efa nandray vatsim-pianarana ireto mpianatra ireto kanefa tsy mbola misy hatramin’izao ny vatsim-pianarana. Etsy andaniny dia efa ela no tokony nasiam-panamboarana ny trano hipetrahan’izy ireo kanefa hatramin’izao dia miandry foana izy ireo. « Efa misy toerana tsy afaka hampiasaina intsony ny trano fidiovana kanefa na ireo mpijery ny asa tokony hatao aza mbola tsy nisy », hoy hatrany ny fanazavana. Izany rehetra izany tafiditra ao anatin’ny fitakian’ireo mpianatra ireo avokoa. Raha ho an’ny vatsim-pianarana manokana dia ny efa-bolana farany no angatahin’izy ireo miaraka amin’ny fampitaovana.

Miandry fandraisana andraikitra

Amin’izao fotoana izao anefa dia mifanehatra amin’ireo mpitandro filaminana izy ireo izay miezaka mandrava ny fitokonana ka mandefa baomba mandatsa-dranomaso. Etsy andaniny dia miandry fatratra ny fivahan’ny olana izy ireo ka hanohy ny fitakiana hatrany. Arak’ireo fangatahana rehetra ireo dia miandry ny fandraisana andraikitra ny rehetra ireto mpianatra ireto. « Mahatsapa izahay hoe miady irery satria na ireo mpitandro filaminana aza miady aminay », hoy hatrany ireo mpianatra. Tokony samy handray ny andraikiny amin’izany ny rehetra mba tsy hiverenan’ny hetsika, raha ny fangatahan’izy ireo hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires