• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Studio Sifaka
Image
Vaovao

Sampana mpamonjy voina : Nitombo avo roa heny ny fahamaizana tao anatin’ny enim-bolana voalohany mihoatra ny tamin’ny 2023

30/07/2024 14:35 © Moov

Nanatanteraka ny tatitry ny asa nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny famonjena voina ny Sampana mpamonjy voina androany. Nandritra izany no nanambaran’izy ireo fa nitombo avo roa heny ny fahamaizana novonjena tao anatin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity raha oharina amin’ny tamin’ny taona 2023. Antontan’isa ho an’ny tanànan’Antananarivo sy ireo kaominina rehetra manodidina no namoahana izany.

Vokatry ny tsy fitandremana

Nanambara ry zareo avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina fa vokatry ny tsy fitandremana matetika no tena niteraka ny loza. Raha ny antontan’isa amin’izao fotoana izao dia miisa 126 ireo famaizana rehetra teto Antananarivo sy ny manodidina tao anatin’izay fotoana izay. Ny 80 tamin’ireo dia hain-trano, miisa 9 kosa ny fahamaizana fiara, 14 amin’ireo ny doro ala, miisa 10 ny vokatry ny fifampikasohana herinaratra ary ireo fahamaizana hafa kosa ny 8 raha avy amin’ireo fako nodorana ny 5 ambiny. Amin’ny ankapobeny dia vokatry ny tsy fitandremana no tena mahatonga ireo tranga ireo matetika. « Misy tokantrano manadino mamono ny fatana na mamela zaza irery ao antrano. Ny doro ala indray dia vokatry ny tain-tsigara atsipitsipy eny rehetra eny. Araka izany dia izany fitandremana izany no ilaina amin’ny rehetra mba hialana amin’io loza io », hoy ny Lehiben’ny Sampana mpamonjy voina eto Antananarivo. Marihina moa fa efa ampolony maro ireo namoy ny ainy noho ireny loza isan-karazany ireny.

Maimaim-poana ny famonjena

Anisan’ny mampitaraina ny mponina ihany koa ny fahatarana sy ny fandoavam-bola amin’ny fiantsoana ieto mpamonjy voina ireto. Nanazava momba izany ihany koa ity Lehiben’ny sampana ity. « Roa minitra aorian’ny antso ny mpamonjy voina tsy maintsy miainga eo amin’ny toby fa maro ireo antony mety mahatara. Ao ny fitohanana sy ireo olona sasany tsy mety manome lalana. Etsy andaniny dia maimaimpoana ihany koa ny fidinana an-tsehatra ankoatra ireo eny amin’ny tanàna manodidina. Efa misy ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina eny ka mifanaraka amin’izay ny famonjena », hoy hatrany ny fanazavana. Nanome toky ihany koa izy ireo fa efa ampy ny fitaovana hampiasaina rehetra. Miisa hatramin’ny 30 ny fiarabe mpamonjy voina ary eo amin’ny 6 eo ihany koa ny « ambulance ». Marihina ihany koa moa fa efa misy ny tobin’ny mpamonjy voina avokoa ireo boriborintany dimy eto Antananarivo ary efa eo am-panomanana ny faha-enina sisa izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires