• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Apipa
Image
Vaovao

"Station de pompage" Ambodimita : Nidina ifotony teny an-toerana ny iraky ny Banky Iraisam-pirenena

30/07/2024 12:18 © Moov.Mg

Nitsidika ny "station de pompage" Ambodimita, izay eo ambany fitantanan’ny Antokon-draharaha miandraikitra ny fisorohana ny tondra-drano eny amin'ny lemak'Antananarivo (APIPA), ny iraka manokan’ny Banky Iraisam-pirenena, Tahir Akbar, omaly.

Fampandrosoana an-tanàn-dehibe

Nijery ifotony ny fomba fiasa rehetra sy ireo fitaovana efa natolotra, tamin’ny alalan’ny tetikasa fampandrosoana sy fiarovana ny tanànan'Antananarivo sy ny manodidina (PRODUIR), amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany ary iarahana miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena, Atoa Tahir Akbar. Ity farany moa dia manam-pahaizana manokana momba ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe. Efa nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, Naina Andriantsitohaina, izy, ny alakamisy lasa teo. Nitohy tamin’ny fidinana teny amin’ny "station de pompage" Ambodimita izany, omaly 269 jolay 2024, niarahana tamin'ireo delegasiônina notarihin'ny tale jeneralin'ny fanajariana ny tany sy ireo tomponandraikitry ny tetikasa PRODUIR.

Fitantanana ny rano sy ny lakan-drano

Tsiahivina fa ny APIPA dia rafitra mivantana eo anivon'ny Ministeran'ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, ary ity ivon-toerana fitrohana rano tantanan'ny APIPA eny Ambodimita ity dia isan’ny lehibe indrindra eto Antananarivo. Misintona ny rano amin’ny lemak’Antananarivo izy io, indrindra rehefa avy ny orana, ka mponina miisa 30 000 ka hatramin’ny 90 000 any ho any no voaaro amin’ny tondran-drano, amin’ny alalan’ny fihodinan’ireo paompy mpitroka rano mandrafitra azy. Efa nisitraka fitaovana maro avy amin'ny tetikasa PRODUIR ihany koa ny "station de pompage" eny Ambodimita. Voaresaka tao anatin’izao fitsidihana izao indrindra moa ny momba ny fitantanana ny rano sy ny lakan-drano eto amin'ny faritra Antananarivo, ary koa ny momba ny tetikasa ho fanampiana ny isan’ireo paompy eo Ambodimita mba hanafainganana ny fampidinana ny rano izay mety hiakatra mandritra ny fotoanan'ny orana.

Lire la suite

Articles Similaires