• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sn Madagasikara
Image
Vaovao

Hetsika : Hampiratiana ao amin’ny trano sary Ambohidahy ny momba ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika

30/07/2024 11:56 © Moov

Hetsika voalohany indrindra eto Madagasikara. Hampiratiana mandritra ity herinandro ity ny momba ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika na ny Service national. Ao amin’ny trano sary na ny ANTA teo aloha eo Ambohidahy no ahitana izany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly izany niaraka tamin’ireo ao anatin’ny Fikambanana SN Madagasikara sy ireo izay afaka nijoro vavaolombelona mikasika izany fiainana tamin’izany.

Hampitaina amin’ny taranaka

Hetsika iray lehibe natao hampitaina amin’ny taranaka ny fomba fiainana tamin’izany fotoana izany ity fampiratiana ity. « Fotoana iray manan-danja teo amin’ny fiainan’ny tanora taloha ny SN. Fotoana iray lava afaka namolavola ny fomba fiainany sy nitarika azy tamin’ny tsara ka rariny raha hampahafantarina ireo tanora amin’izao fotoana izao », hoy ny fanazavan’i Aina Lova, Filohan’ny Fikambanana SN Madagasikara, mpamolavola ny hetsika. Nanamarika ity fikambanana ity fa nanana andraikitra lehibe teto amin’ny tany sy ny firenena ireo SN ireo. Nandray anjara betsaka teo amin’ny lafiny fanabeazana izy ireo satria naparitaka nanerana ny Nosy mba hampianatra ny ankizy kely hamaky teny sy hanoratra. Marihina fa ireo tanora rehetra afaka bakalôrea ka tsy tafiditra teny Ankatso no nandray anjara tamin’izany SN izany. Nanomboka tany amin’ny taona 1978 tany ny SN voalohany indrindra ary nifarana izany ny taona 1991. Ankoatra ireo fanabeazana sy fanofanana isan-karazany dia nampianarina nitana fitaovam-piadiana ihany koa ireo tanora taloha ireo.

Tokony haverina

Nijoro vavolombelona ny maha-zava-dehibe izany SN izany ireo izay nandray anjara tamin’izany. Tamin’izany indrindra no nanambaran’izy ireo fa tokony haverina ity fanompoam-pirenena ity. « Tamin’izany fotoana izany dia nitombo hatramin’ny 80% ny tahan’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra manerana ny Nosy. Izany no ilazako fa zava-dehibe izany fotoana izany ary tokony haverina mihitsy aza », hoy Sophie Ratsiraka, anisan’ny nandray anjara tamin’ny fijoroana vavolombelona. Niray hevitra taminy ihany koa ny Goverinoran’ny Faritra Analamanga izay nilaza fa afaka haverina ity fanompoam-pirenena ity ary azo atao amin’ny fomba hafa.
Azon’ny rehetra tsidihina ao amin'ny Trano sary Ambohidahy manomboka androany ka hatramin'ny sabotsy 3 aogositra izao ny fampirantiana sy fampahafantarana ny SN na fanompoampirenena ivelan'ny tafika. Ny 40 taona lasa, tsy avela handalo fotsiny fa raiketina sy aseho ho an'ny tanora ankehitriny, hoy izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires