• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gostudent
Image
Vaovao

Fidiran’ny mpianatra : Mbola mangingina ny tsenan’ny fitaovam-pianarana

30/07/2024 10:43 © Moov

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra tanteraka ireo mpianatra ankehitriny. Efa ao anaty fanomanana ny fidiran’izy ireo kosa ireo Ray aman-dreny sasany hisorohana ny tampoka, raha ny fanadihadiana.

Ny 3 septambra 2024, raha tsiahivina, ny daty fidiran’ny mpianatra ofisialy raha ny tetiandro navoakan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ho an’ny taom-pianarana 2024-2025. Mbola maro ireo ray aman-dreny no tsy miroso amin’ny fividianana ireo fitaovana ilaina any an-dakilasy. Misy kosa ireo manangona tsikelikely.

Misy efa manomana

Mbola ao anaty fialan-tsasatra tanteraka kosa ireo mpianatra amin’izao fotoana izao. Raha ny zava-misy, mbola mizara ny hevitr’ireo Ray aman-dreny manoloana ny fanomanana izay fidiran’ny mpianatra izay. Misy amin’izy ireo no efa manomboka mividy tsikelikely ireo kojakoja ho an’ireo zanany, ao ihany koa ireo mbola tsy marisika amin’izany. Araka ny nambaran’ireo nanaovana fanadihadiana, misy amin’izy ireo no mbola ao anaty fandaminana tanteraka amin’ny tetibola ho laniana ho an’ny taom-pianarana vaovao. Ao ihany koa ireo manao ny fampitahana ny vidin’entana sy kalitaon’ireo entana ho jifaina. Eny Tsaralalàna sy Analakely moa no tena fividianana fitaovam-pianarana. Misy ihany koa no manararoatra ny fihenambidy amin’ny magazay lehibe malaza.
Isan-taona dia saika ahitana fiakarana hatrany vidin'ireo fitaovam-pianarana eny an-tsena raha ny fanadihadiana natao. Raha toa ka 15 000 Ar ny fonosana iray amin'ny kahie 100 pejy tamin'ny taon-dasa, tafakatra 16 000 Ar hatramin'ny 20 000 Ar izany ankehitriny. Nanamafy ireo mpivarotra fa mbola tsy dia miakatra firy ny vidin’entana amin’izao fiafaran’ny volana jolay izao. Mety hampakatra be izany nefa ireo mpamongady amin’ny tapatapaky ny volana aogositra iny, mandrapahatapitry ny volana septambra. Azo lazaina fa mahazo tombony kokoa ireo Ray aman-dreny mividy fitaovam-pianarana mialoha. Matetika nefa dia tsy omen’ny sekoly ny lisitry ny zavatra ilain’ny ankizy tsirairay raha tsy voaloha ny “droit et frais généraux” sy ny sarampianarana volana septambra.

Niakatra 10% ny saram-pianarana ho an’ireo sekoly tsy miankina sasany

Maro amin’ireo sekoly tsy miankina no mampiakatra ny saram-pisoratana anaran’ny mpianatra ho an’ity taom-pianarana vaovao ity. Hita ho nihena tsy tahaka ny isan-taona ny taham-pisoratana anarana hidirana ho an’ireo kilasy eny anelanelany na ny « classe intermédiaire », raha ny nambaran’ny talen-tsekoly iray. Tsy maintsy nirosoana kosa hoy ity farany izay fampiakarana teo amin’ny 10% amin’ny sarampiarana izay mba ahafahana manatsara ny kalitaon’ny fampianarana eo amin’ ireo sekoly. Ilaina mantsy ny fikojakojana ireo fotodrafitr’asa rehetra, ny fampidirana mpampianatra vaovao ary ihany koa ny fampiakarana ny karaman’ireo mpampianatra.
Tsy mora ny mampiana-janaka na ho an’ireo manan-katao aza. Na eny amin’ireo sekolim-panjakana aza no mianatra ny ankizy, tsy maintsy misy ny fandraisana anjara. Ankoatra ny fitaovam-pianarana dia mila vidiana ihany koa ny aron’akanjo (tablier), ny akanjo iraisana (tenue) sy izay fitaovana tsy maintsy ananana araka izay fandaminan’ny sekoly.

Lire la suite

Articles Similaires