• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wateraid Madagascar
Image
Vaovao

Faritra Atsimo : Nitombo avo roa heny ny fahazoana rano fisotro madio noho ny tamin’ny taona 2000

29/07/2024 16:42 © Moov

Mitombo hatrany ny tahan’ireo olona mahazo rano fisotro madio eto Madagasikara. Noho ny fiaraha-miasan’ny Madagasikara amin’ny WaterAid dia nitombo avo roa heny ny fampisitrahana izany manerana ny Nosy. Raha nanodidina ny 24% izany ny taona 2000 dia efa ny 53% amin’ny Malagasy any Atsimon’ny Nosy amin’izao fotoana izao no misitraka rano fisotro madio.

Olona 800 000 isa

Mankalaza ny faha-25 taonany ny WaterAid amin’ity taona ity. Nandritra izay fe-potoana niasany teto Madagasikara izay dia olona maherin’ny valo hetsy no efa nisitraka rano fisotro madio manerana ny Nosy. Ankoatra ny rano fisotro anefa dia nanampy Malagasy sy fianakaviana maro ihany koa ity Fikambanana ity tamin’ny fananganana fotodrafittrasa maro momba ny fanadiovana sy ny fidiovana. Tao anatin’izany dia olona maherin’ny ray tapitrisa no afaka nanova fomba fiaina. Afaka nampihatra ny fomba fanasana tanana amin’ny rano sy ny savony matetika izy ireo ary afaka nampiasa ny lavapiringa sy ireo toeram-pidiovana.

Fomba fiasa vaovao

Hanohy ny ezaka hatrany ity Fikambanana ity hahafahan’ny malagasy rehetra mitovy zo amin’ny fisitrahana rano fisotro madio. Araka izany dia nanova fomba fiasa izy ireo. Manomboka izao dia eny amin’ireo kaominina lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro matetika no tena hifotoran’ny asa indray. Izany hoe any amin’ny faritra atsimo izay mbola tsy nisitraka izany sy any amin’ny ilany atsinanana. Tanjona amin’izany ny hampisitrahana rano, fotodrafitrasa fidiovana sy fanadiovana ho an’ny Malagasy rehetra. Marihina moa fa mbola maro ireo Malagasy miaina amin’ny rano mandeha izay mety hiteraka aretina isan-karazany. Hanala izany olana izany indrindra no tanjon’ny tetikasa.
Ny herinandro teo, nanao fitsidihana ifotony ny zava-misy mahakasika ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana nataon’ny WaterAid teto Madagasikara ny CEO sy ny International Finance Director avy any Royaume Uni. Tany Amboasary Atsimo sy Manjakandriana no nanatanterahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires