• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Lalao olympika- Mafimafy ny fanombohana ho an’ireo atleta malagasy

29/07/2024 16:20 © Moov

Resy teo amin’ny lalao 1/32 i Rakotoarimanana Fabio, mpilalao tenisy ambony latabatra. Tsy tafita tao anatin’ny dingana fifanintsanana ihany koa i Jonathan Raharvel, atleta mpilomano Malagasy.

Mpilalao roa no raraka

Ratsy hatreto ny vokatra ho an’ireo atlteta Malagasy ao anatin’ny fandraisana anjara amin’ny lalao olaimpika. Sendra mpifanandrina mantanjaka avokoa ireo mpilalao Malagasy roalahy nisantatra ity fifaninana ity, ny farany herinandro teo tao Paris Frantsa. Raha ho an’i Rakotoarimanana Fabio, mpilalao tenisy ambony latabatra, ilay atleta laharana voalohany Afrikanina no nifandona taminy, Omar Assar, izay teratany Egyptianina. Resy tamin’ny seta 1 noho ny 4 ny tenany nandritra ny lalao ny Alahady teo. Nambarany fa nampitombo teo amin’ny fahaiza-manao sy traikefa ity mpifaninana tamin’ity . Eo ihany koa ny fahazarana nananan’ilay egyptianina tamin’ny fandraisana anjara amin’ireo lalao olaimpika, tsara ny mampahafantatra fa efa nifaninana tao anatin’ny Lalao tany Tokyo ny taona 2021 i Omar Assar. Na nisy aza izay faharesena izay, nilaza i Fabio fa nahafa-po azy ity fandraisana anjara voalohany tao anatin’ny lalao olaimpika ity, ary faly ny tenany misolo tena an’i Madagasikara ao anatin’izany.
Raha ho an’ny taranja lomano, tsy tafita teo amin’ny dingan’ny fifanintsanana i Raharvel Jonathan. Niatrika ny 100 m brasse ny tenany, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny dobo filomanosana La Défense Arena. Tafiditra teo amin’ny laharana fahafito i Jonathan ary 1 minitra 05.20 segondra ny fe-potoany. Mbola ambany noho ny fe-potoana nananany teo aloha ity azony ity. Raha ny filaharana ankapobeany lalao eo amin’ny laharana faha33 tamin’ireo mpilomano 36 nandray anjara ny tovolahy.
Tsy nisy tafita tamin’ny manasa-dalana avokoa ireo mpilomano rehetra niaraka taminy tao amin’ity fifanintsanana isam-bondrona ity, noho ny fihoarana 1 mn teo ny fe-potoan’izy ireo.

Misy fanantenana ny hahazoana Medaly

Mbola ambony ny fanantenana eo amin’ireo atleta hafa. Ny Alarobia 31 Jolay izao no hiakatra tatami voalohany ao amin'ny Arena Champ-De-Mars, i Laura RASOANAIVO, Judoka. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg no hifaninanany ary i Kelly Pollard Petersen, judokate teratany britanika, laharana faha-16 eran-tany no hifanandrina aminy. Alteta handrandraina hitondra medaly ho an’ny Malagasy mandritra ity lalao olaimpika ity ihany koa i Rosinah RANDAFIARISON. Isan’ireo mpilalao manana ny maha-izy azy ary afaka milahatra amin’ireo mpandray anjara any Frantsa ny tovovavy. Tsara ny mampatsiahy fa efa nandrombaka medaly miisa 03 tamin’ny fandraisana anjara amin’ny lalao manerantany ny tenany.

Raha araka ny filaharana vonjimaika, mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fahazoana ny medaly i Japana, efatra volamena, roa volafotsy, 1 alimo. Laharana faharoa i Korea Atsimo izay nandrombaka medaly volamena efatra, roa volafotsy ary iray alimo. Fahatelo i Aostralia nahazo medaly volamena efatra, medaly volafotsy roa ary tsy nisy medaly alimo. Ny laharana fahefatra dia an’i Etazonia izay manana medaly betsaka indrindra, mitotaly 12 hatreto izany, ahitana volamena telo, volafotsy enina ary alimo telo. Laharana fahadimy i Frantsa mpampiantrano, nahazo medaly volamena telo, volafotsy telo ary alimo roa.

Lire la suite

Articles Similaires