• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fiarovana ny rohivoahary ala honko : Tany 6ha no novolena zanaka honko tany Menabe

26/07/2024 07:01 © Mmoov.Mg

Marihina androany 26 jolay 2024 ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ala honko. Ho antsika eto Madagasikara kosa, efa natomboka ny 24 jolay ny fankalazana. Ho an’ny andron’ny omaly manokana dia fambolena honko no notanterahina tany Kimony, Distrikan’i Morondava, Faritra Menabe.

Toe-tany masira

Raha ny marina kokoa dia fanarenana no natao. Araka ny fanazavan-dRandriambao Malalatiana, talen’ny fambolen-kazo eo anivon’ny ministeran’ny Totolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy mantsy, dia efa nisy honko novolena ihany teo amin’io toerana io, saingy noho ny fandalovan’ny rivo-doza, ny fiovaovan’ny toetr’andro ary indrindra, ny tahan-tsira ambony loatra, dia tsy nahavanona hatrany ny fambolena natao. Noho izany dia misy ny teknika vaovao andramana : narenina ireo lakan-drano rehetra manondraka ireo zanaka honko vao novolena, toy izay koa ny toe-tany misy azy ireo, satria araka ny fikarohana natao dia ambony be ny tahan’ny sira ao Kimony, ka mamono ireo zanaka honko. Raha mahomby izany teknika izany dia hampiharina any amin’ny toeran-kafa.

Teknôlôjia avo lenta

Araka izany, ho arahi-maso akaiky ireo honko vao novolena. Ampiasaina amin’izany ny « drone » fanaovana fitsirihana, izay manampy be dia be, satria midadasika ireo Faritra arovana, tsy any Menabe ihany fa manerana an’i Madagasikara mihitsy. Tsy ampy anefa ny isan’ireo mpiasan’ny ministeran’ny Tontolo Iainana miandraikitra izany fanaraha-maso izany. Eo ihany koa ny fampiasana ny « drone » mpamboly, mamafy ireo voa handrakofana ala ny toerana maro. Etsy an-daniny, vitan’ny « drone » ihany koa ny fitantanana ny afo, ho fitsirihana sy famehezana ny doro ala sy doro tanety. Ho an’ny Faritra Menabe manokana dia mirefy 30 000 ha mahery ny velaran’ny ala honko, izay miantoka ny velon-tenan’ny mponina maro. Miaina amin’ny jono ny mponina ao Kimony, hoy ny talem-paritry ny Tontolo iainana ao Menabe, ka misy fiantraikany amin’ny fiainan’izy ireo ny fisian’ny ala honko, izay mitahiry ireo harena an-dranomasina.

Ho an’ny omaly moa dia tany mirefy 6ha no novolena honko, hetsika niarahana tamin’ireo Vondron’Olona Ifotony (VOI) miisa 130 avy ao amin’ny Faritra Menabe sy Melaky, notarihan’ny Goverinoran’ny Faritra Menabe, ny Goverinoran’ny Faritra Melaky, ny Ministeran’ny tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ireo mpiara-miombon’antoka.

Lire la suite

Articles Similaires