• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Présidence De La République De Madagascar
Image
Vaovao

Haitao ara-kajimirindra : Maherin’ny 3 tapitrisa ireo Karinem-pokontany biométrique hatontana amin’ity 2024 ity

24/07/2024 14:28 © Moov

Miroso tsikelikely amin’ny fampiasana ny « digitalisation » ny Firenena. Ao anatin’izany ny fanovana ny karinem-pokontany ho « biométrique ». Tokony hisitraka izany avokoa ny fianakaviana rehetra manerana ny Nosy. Araka izany dia karinem-pokontany « biométrique » hatramin’ny 3 tapitrisa no vinavinaina hatonta amin’ity 2024 ity.

Hanamorana ny fizarana fanampiana

Anisan’ny tanjon’ny fanjakana tamin’ny fanavaozana ity karinem-pokontany ity ny hanamorana ny fizarana ireo fanampiana. « Hahafahan’ny Fanjakana mamantatra izany fa efa nahazo ny anjarany na tsia ny fianakaviana iray. Jerena amin’ny alalan’ny fitaovana informatika io mba hisian’ny fangaraharana », hoy ny Sekeretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra, izay mpiandraikitra voalohany ny tetikasa. Raha ny tanjon’ny Fitondram-panjakana dia ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka no hahazo fanampiana isaky ny misy izany ka izay no maha-zava-dehibe ity fanavaozana ity. Araka izany dia miroso tsikelikely amin’ny fanatrarana ny tanjona ny Firenena. Amin’izao fotoana izao dia miisa 1 527 000 ireo mponina nisitraka ny karinem-pokontany biométrique hatramin’ny androany.

Faritra rehetra

Ny faritra miisa 24 manerana ny Nosy sy ireo fokontany rehetra ao anatiny dia tsy maintsy hisitraka ity fanovana ho amin’ny tsara kokoa ity avokoa. Hisy sarany kosa anefa izany, izay sarany efa napetraka hatramin’ny voalohany. Ho vidiana 1 000 ariary izany ho an’ireo fokontany any ambanivohitra ary 2 000 ariary kosa ireo eny amin’ny andrenivohitra. Nanamarika ny Ministera fa hiverina hanisa ny mponina indray izy ireo. Hotanterahina hatramin’ny 9 aogositra izao izany. Hisy araka izany ny fiaraha-miasa amin’ny Distrika sy ny Kaominina hahafahana manatanteraka izany fanisana izany. Efa tafiditra ao anatin’ny dingana fahatelo amin’ny fampisitrahana izany karine izany ny Fitondram-panjakana amin’izao. Tsara ihany koa ny manamarika fa hahafahana manamora ny fikarakarana ny taratasy isam-pokontany ny fampiasana ity karine vaovao ity.

Lire la suite

Articles Similaires