• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wattco
Image
Vaovao

Saribao : Mbola 15 000 ariary ny gonibe any Moramanga, Brickaville sy ny manodidina

23/07/2024 21:29 © Moov

Anisan'ny antom-piveloman'ny mponina any Atsinanana ny asa mikasika ny fitrandrahana hazo, ka izany indrindra no maha-mora ny saribao. Afaka manararaotra tsara mivily saribao raha misy fiara malalaka rehefa avy miala sasatra avy any Toamasina iny.

Efa maherin'ny 30 000 ariary ny saribao amin'ny gonibe eto Antananarivo. Tena ilaina nefa io akora io amin'ny fandrahaoana sakafo. Na dia efa misy aza ny entona sy ny fatana mandeha amin'ny herinaratra, mbola maherin'ny 70%-n'ny tokantrano Malagasy eto an-drenivohitra no tsy afa-miala amin'ny saribao.
Maro ireo mpialasasatra amin'iny faritra Atsinana iny no mividy saribao eny Ambatobe (10 kilometratra tsy hidirana an'i Brickaville) na eo Brickaville mihitsy. Feno tsara ny gony, ary tena saribao fotsiny no ao anatiny fa tsy misy bozaka na zavatra hafa. 15 000 ariary ny gony lehibe, ary misy gony kelikely 10.000 ariary. Matetika dia mbola azo iadiam-barotra ny mpivarotra, indrindra raha maka maromaro.

Fiarovana ny ala

Efa misy fepetra manokana arahin'ireo mpitrandraka hazo, mba hiarovana ny ala. Anaty fikambanana matetika ireo mpanao saribao ka mitsinjara amin'ireo mbola hivarotra avy eo. Ny kininina, sapin ary hazoala no tena ampiasaina. Tsy azo tapahina ireo karazan-kazo efa ahiana ho lany tamingana. Ferana ihany koa ny hazo azo tapahina ao anatina vanimpotoana voatondro. Tsy adino ny fikolokoloana ny ala amin'ny alalan'ny fambolena zana-kazo sy ny fisorohana ny doro tanety.
Tsara ny manamarika fa eo Moramanga hatrany Brickaville (RN2) sy any Ambositra hatrany Ambohimahasoa (RN7) no tena mpamokatra saribao eto Madagasikara. Ny eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina no tena mpandray ny vokatra. Mila fampisehoana fanomezan-dalana izany na faktiora mazava ireo mpivarotra mitondra saribao aman-jatony amin'ny kamiao. Tsy mila fanamarinana kosa ireo olon-tsotra mitondra gonin-tsaribao vitsivitsy ampiasaina an-tokantrano.

Lire la suite

Articles Similaires