• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Voka-pifidianana vonjimaika - 01 jona 2024

01/06/2024 22:40 © Moov

Mitombo hatrany ireo vokatra voarain'ny CENI manerana ny Nosy, mikasika ny fifidianana solombavambahoaka notontosaina ny Alarobia 29 may lasa teo.

Vokatra amin'ny ampahany ihany no azo hatreto, saingy efa hahitana taratra izay mety ho tafakatra sy tafajanona eny amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Tsy ferana kosa nefa izay mety fiovana tampoka. Any ho any amin'ny fahafolon'ity volana ity mantsy vao mikasa hamoaka ny vokatra vonjimaika feno ny CENI.

Antananarivo I

Mitarika ny kandida Augustin Andriamananoro (IRMAR) 38,63%, arahin’ny kandida Me Hanitra Razafimanantsoa (Firaisankina) 37,31%

Antananarivo II

Stanislas Randrianarisoa (Firaisankina) no mitarika amin’ny salan’isa 51,70%. Manaraka azy ny depiote Lanto Rakotomanga (IRMAR), nahazo 38,87%

Antananarivo III

Ogascar Fenosoa (Indépendant) no mitarika 28,34%, arahin’i Feno Ralambomanana (Firaisankina) 24,60% sy Gabrielle Raharison (IRMAR) 24,28%

Antananarivo IV

Tahiry Ny Rina Randriamasinoro (Firaisankina) no mitarika 47,22%, arahin’ny kandida IRMAR Désire Rafidimanana 33,81%. 7,05% no salan’isan’ny Depiote Rossy.

Antananarivo V

Fetra Ralambozafimbololona (Firaisankina) no mitarika amin’ny salan’isa 41,68%, arahin’i Naivo Raholdina (IRMAR) 39,65%. 18,67% kosa no azon’i Harifidy Ramanandraibe (Kolektifa)

Antananarivo IV

Ny vondrona Firaisankina, amin’ny alalan’i Todisoa Randriamampandry no mitarika amin’ny salan’isa 50,98%. Tantely Razanamandimbisoa (IRMAR) no manaraka azy, nahazo 28,81%

Antananarivo Avaradrano

Ny kandida avy amin'ny vondrona Firaisankina no mitarika hatreto, amin'ny salan'isa 43,49%. Tsy iza izany fa Benjamina Andriamosa. Manaraka azy ny kandidan'ny IRMAR, Thierry Radafindranaro, nahazo ny salan'isa 28,05%. Eo amin'ny laharana faha-3 kosa no misy an'i Hajo Andrianainarivelo (Kolekitifa), 24,79%.

Antananarivo Atsimondrano

Voahangy Raharimanarivo, natolotry ny Firaisankina, no mitarika. Nahazo 41,69%-n'ireo vato manankery ny tenany. Ny avy amin'ny IRMAR kosa no manaraka azy, dia i Andry Ratsivahiny, 29,73%.

Manjakandriana

Anjakan'ny vondrona Firaisankina hatreto ny ao Manjakandriana. Nahazo ny salan'isa 35,09% i Henri William Randriamanga. Manaraka azy akaiky amin'ny salan'isa 30,92% kosa nefa ny dokotera Fidy Bariniaina, avy amin'ny Fivoi.

Ankazobe

Mety ho lasan'ny FIVOI ny amboara poa-droa ao Ankazobe. Manana salan'isa 62,26% mantsy i Harijao Percy Razafimandimby. Eddie Ramasiherison, avy amin'ny IRMAR, no laharana faharoa, nahazo 21,97%-n'ireo vato manankery.

Anjozorobe

Edison Razafitsihoarana, avy amin'ny vondrona politika Firaisankina, no manana ny salan'isa ambony indrindra hatreto, 39,22%. Manaraka azy ny avy ao amin'ny IRMAR, Manda Ravelojaona, 29,05%.

Ambohidratrimo

Mbola ny avy amin'ny antokon'ny filoham-pirenena sy ny mpanohitra hatrany no miady ny tapakila mankeny Tsimbazaza. Maminiaina Rabenirina (Firaisankina) no mitarika, nahazo ny salan'isa 35,47%. 31,03% kosa no azon'i Fenohery Johny Rakotoarisoa (IRMAR).

Andramasina

Nahazo hery ny tsy miankina tao Andramasina. Bina Andriamanjato no mitazona ny laharana voalohany, amin'ny salan'isa 45,81%. Manaraka azy ny avy ao amin'ny IRMAR, Ralaiary Rakotomanga, 26,88% sy Hantarisoa Ramalanjaona (Firaisankina), nahazo 20,88%.

Antanifotsy

Narson Rafidimanana, avy amin'ny vovonana Firaisankina no mitarika, amin'ny salan'isa 56,04%. Manaraka azy i Justin Rakotondrazafy (Indépendant), nahazo 14,73%, ary i Henintsoa Andrianantenaina (IRMAR), nahazo 13,46%.

Faratsiho

Laharana faharoa hatreto ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina teo aloha, Lalatiana Rakotondrazafy. 40,36% no salan'isa azony. Andriamampionona Ramilison, avy amin'ny Firaisankina, no mitazona ny laharana voalohany, amin'ny salan'isa 42,87%.

Ambalavao

Ny kandida tsy miankina Marceline Rasoanirina no mitarika. Nahazo 54,26% ny tenany hatreto. Ny avy amin'ny IRMAR, Daniel Razafimahatratra kosa no laharana faharoa, manana salan'isa 35,75%.

Mandoto

Miady ny lalao ao Mandoto. Kandida 3 no tena be mpifidy : Modeste Rakotorahalahy (Indépendant) 31,91%, Herisoa Andriamboavonjy (Firaisankina) 28,49% ary Iavotra Ramanandraibe (IRMAR) 22,59%.

Betafo

Ny avy amin'ny Firaisankina, Livasoa Randriatahinamalala, no mitarika hatreto. Nahazo salan'isa 41,10% ny tenany. Laharana faha-2 ny kandidan'ny IRMAR Lovanirina Celestin Fiarovana, 21,17%. Ny laharana faha-3 dia i Thierry Gabriel Andriarimalala, tsy miankina, nahazo salan'isa 20,25%.

Antsirabe I

Ny Firaisankina no manjakazaka ao Antsirabe I. Nahazo salan'isa 41,17% mantsy ny kandida Michel Jean François. Manaraka azy ny kandida natolotry ny IRMAR, Désiré Razafinimaro, 32,06%.

Antsirabe II

Olivier Randrianantenaina, avy amin'ny Vovonana Firaisankina, no manana ny salan'isa ambony indrindra hatreto : 49,30%. Manaraka azy i Alfred Andriamanampisoa, avy amin'ny IRMAR, amin'ny salan'isa 33,61%.

Fianarantsoa

48,31% no salan'isa azon'ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Michelle Sahondrarimalala, arahin'ny kandida tsy miankina, Haritiana Rasolonirainy na Ralava, 22,04%.

Isandra

Raoto Ralambozafy (IRMAR) no mitarika, amin'ny salan'isa 77,03%, arahin'ny kandida Lucien Ratovoson (Indépendant), nahazo vato 19,54%. 3,44% kosa no azon'i Noro Rabetafika, kandida tsy miankina.

Lire la suite

Articles Similaires