• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Iray volan’ny teny malagasy : Hiavaka ny fanamarihana ny fankalazana amin’ity 2024 ity

31/05/2024 17:38 © Moov

Volana iray manan-danja eto Madagasikara ny volana jona. Tafiditra ao anatin’izany ny maha volan’ny ankizy azy sy ny fetim-pirenena. Tsy ambakan’izany ihany koa anefa ny fankalazana ity iray volan’ny teny malagasy ity. Hiavaka ny fanamarihana amin’ity taona ity amin’ny alalan’ireo hetsika samihafa.

Fifaninanam-pirenena

Homarihana amin’ny alalan’ny fifaninanam-pirenena ho fampiroboroboana ny teny malagasy ity iray volana ity. Hisy araka izany ny fifaninanana literatiora an-tsoratra izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Afaka mandray anjara amin’izany avokoa ny malagasy rehetra tsy ankanavaka. Mizara ho sokajy telo ny fifaninanana ka samy hahazo ny anjarany avy ny mpana-talenta amin’izany. Azo atao ny manoratra tononkalo, manoratra tantara foronina ary ny tantara amin’ny onjam-peo. Tokony ampiasaina ao anatin’izany fotsiny ny teny malagasy. « Hetsika iray hampivoarana ny teny malagasy ity karakaraina ity ka hahazo loka tsirairay avy ireo mpandresy isaky ny sokajy », hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina mpisolo toerana, Rasata Rafaravavitafika. Miantso ny malagasy rehetra ny tenany amin’ny fandraisana anjara amin’ity fifaninanana ity.

Fandaharana vaovao amin’ny RNM sy TVM

Ao anatin’izany iray volana izany ihany koa dia hisy ireo fandaharana vaovao mahakasika ity teny malagasy ity izay halefa ao amin’ny fahitalavi-pirenena sy ny radiom-pirenena. Antsoina hoe « minitran’ny teny malagasy » izany ary handeha isaky ny fotoan’ny fampahalalam-baovao. Ny tanjona amin’izany dia ny hahafahana mampianatra voambolana vaovao sy miavaka. Izany no hatao mba hampiroboroboana ity teny malagasy ity ho an’ny Malagasy eto an-toerana sy any ivelany rehetra. Mifandray amin’izany ny fampianarana ny fomba fanoratra izay handeha isan’andro ao amin’ny pejy « facebook » an’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. Ny tanjona amin’ity indray dia ny hanitsiana ireo fomba fanoratra diso sy hampahafantarana ireo tenim-paritra maro.
Tsara ny manamarika fa efa nanomboka ny herinandro lasa teo ny fankalazana. Efa nisy moa ny atrikasa ho an’ny feni-panoratana tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Nentina nanampiana ny rehetra hahay hanoratra ny teny malagasy araka ny tokony ho izy io hetsika io. Mpandalina teny malagasy maro sy manam-pahaizana no nitondra izany hetsika izany. Ny tanjona hiraisan’izany rehetra izany moa dia ny hampiroboroboana ny aimbaindain’ny kolontsaina malagasy sy ny literatiora malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires