• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tl
Image
Vaovao

Fetim-pirenena : Efa manomboka hita eny amin’ny tsena ireo arendrina mirehidrehitra

31/05/2024 15:57 © Moov

Enina amby roapolo andro sisa dia tonga ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy. Efa manomboka hita eny an-tsena ireo entana manamarika izany fety lehibe izany. Efa miparitaka mihitsy ny sainam-pirenena, ireo kilalao mirehadrehatra sy ireo arendrina isan-karazany.

Manomboka amin’ny 3 000 ariary

Azo lazaina ho natao ho an’ny rehetra ny vidin’ireny zavatra entina manamarika ity fotoan-dehibe ity ireny. Raha tsy hiteny afa-tsy ny arendrina, manomboka amin’ny 3 000 ariary dia afaka manjifa ireny. Etsy andaniny anefa dia misy ho amin’ny filàn’ny tsirairay ihany koa satria misy amin’ireo arendrina izay mahatratra hatramin’ny 40 000 ariary ny vidiny. Tafiditra ao anatin’izany ny arendrina taratasy vita malagasy sy ireo arendrina mirehidrehitra vita sinoa. Anisan’ny manamarika ny fetim-pirenena toy izao tato ho ato ihany koa ny « laser pointeur ». Ireo ankizy sy tanora no tena liana amin’izany. « Amin’izao vao manomboka izao dia 25 000 ariary hatramin’ny 30 000 ariary eo ny vidiny fa arakaraka ny tsena ihany io raha hampiakarina io vidiny io », hoy ireo mpivarotra eny Analakely. Mamerina mampahafantatra hatrany anefa ireo mpitsabo ny amin’ny loza ara-pahasalamana mety aterak’ireny “laser” ireny ka ilaina fitandremana ny fampiasana azy.

Mbola vitsy ny mpividy

Mbola anisan’ny manamarika ity fetim-pirenena ankalazaina isaky ny 26 jona ity ihany koa ny fananganana sainam-pirenena isaky ny trano. Maro ireo mampiasa ny efa ao aminy. Ao ihany koa ireo misafidy ny hanolo izany isan-taona. Amin’izao andro maromaro mialoha izao dia mbola vitsy ireo mpanjifa hoy ireo mpivarotra sainam-pirenena mandehandeha eny Analakely. « Mbola ny mpanontany ny vidin’entana no betsaka. Tamin’ity taona ity dia ohatran’ny tsy rototra ireo mpividy. Vao 4 isaky ny telo andro izao no mba mpanontany ahy », hoy i Serge, mpivarotra sainam-pirenena eo Analakely. Manodidina ny 5 000 ariary hatramin’ny 35 000 ariary eo ny vidin’ireny saina ireny raha ny fanambaran’ireo mpivarotra. Mety manamarina izany ihany koa ny mety ho fahasahiranan’ny olona amin’izao fotoana izao sy ny fiakaran’ny vidim-piainana.

Lire la suite

Articles Similaires