• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Hafakely : Nahitana varika miriaria ao anaty ala iray any Frantsa

31/05/2024 10:22 © Moov.Mg

Varika novidiana tany amin’ny varo-maizina ve ? Sa mety ho varika nompiana tany amin’ny valan-javaboahary no tafavoaka ? Tsy fantatra mazava hatreto ny momba ity varika, biby mampiavaka an’i Madagasikara, nefa hita tany Frantsa ity.

Tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara

Nahitana varika anankiray tsy fanta-piaviana tao anaty alam-panjakana Jouy-le-Châtel, any amin’ny departemantan’i Seine-et-Marne any Frantsa. Vehivavy iray, tomponandraikitra ao amin’ny ôfisy frantsay momba ny karazanjamanananaina, no nahatsikaritra ity biby ity, ny 28 mey lasa teo, raha iny izy handeha hamonjy ny toeram-piasany iny. Raha ny tena marina dia tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ny varika ary biby arovana sao ho lany tamingana, na inona na inona karazany. Tsy fantatra mazava, araka izany, izay antony nahatonga io varika anankiray io, ao anaty ala any Frantsa. Misy varika 112 karazana eto Madagasikara. Maherin’ny 90% amin’ireo karazana varika misy eto amintsika no ahiana mafy ho lany tamingana, noho ireo tsindry maro mihatra aminy, toy ny fihazana sy fihinanana azy, ny fanjavonan’ny trano fonenany vokatry ny doro ala, ny fiitaran’ny toeram-ponenan’ny olombelona…

Tsy fantatra mazava

Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny karazan’ity varika ity. Ny hany fantatra dia hoe : varika lehibe ilay izy. Nomena fampitandremana moa ireo mpitsangatsangana sy mpandeha ao amin’io ala io, mba tsy hanatona na hanandrana hisambotra ilay varika, satria na tsy karazana biby mahery setra aza izy ity dia mety hanaikitra, raha mahatsiaro tena ho tandindomin-doza. Namporisihina kosa ireo izay mahatsikaritra ilay varika, mba hampita ny vaovao any amin'ny zandarimaria. Eo an-dalam-pandinihana ny fomba hisamborana azy ny ôfisy frantsay momba ny karazanjamanananaina (OFB) sy ny ôfisim-pirenena ho an’ny ala (ONF) any Frantsa. Heverina fa hapetraka ao amin’ny valan-javaboaharin’i Lumigny-Nesles-Ormeaux, any Seine-et-Marne ihany izy ity, rehefa voasambotra.

Lire la suite

Articles Similaires