• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Loacker
Image
Vaovao

Sehatry ny lavanila : Hetsika amin’ny ady amin’ny fampiasana zaza

30/05/2024 22:40 © L'Express De Madagascar

Notanterahina tao amin’ny Carlton Anosy androany ny atrik’asa famoahana ny voka-pikarohana momba ny ady atao amin’ny fampiasana zaza amin’ny sehatry ny lavanila. Nivoitra tamin’izany fa mila havaozina sy haverina indray io ady io hoy ny Ministry ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana.

Niverina ny fampiasana zaza

Nanamafy ity minisitra ity fa efa foana ny fampiasana zaza amin’ny sehatry ny lavanila teo aloha teo. « Tsy maintsy havaozina sy hamboarina ny hetsika hatao amin’ity ady ity amin’izao fotoana. Tsy maintsy hatao izany satria niverina indray ny fampiasana zaza taorian’ny fiakaran’ny vidina lavanila. Izany ihany koa no anton’ity famoahana voka-pikarohana vaovao ity. Maro ireo fihetsika vaovao tsy maintsy atao raha te hanafoana io fampiasana zaza io ka voaraikitra ato anatin’ity fikarohana vaovao ity izany », hoy hatrany ny Minisitra. Mbola mila jerena akaiky anefa io fikarohana io vao afaka havoaka ampahibemaso satria maro ihany koa ireo fepetra niova nandritra io fidinana vidina lavanila iny. « Sehatra goavana izany sehatry ny lavanila izay ka ilaina fitandremana ny fikarohana sy ny zavatra rehetra hampifandraisina amin’izany », hoy ny Minisitra nanohy. Ny governemanta amin’ny ankapobeny dia manohana itony fikarohana itony fa tsy maintsy arahi-maso akaiky.

Asa mendrika

Tsy mbola tokony hiasa ny zaza latsaky ny 18 taona. Maro anefa ireo zava-misy eny anivon’ny fiaraha-monina mahatonga io fiasana io. Anisan’ny tanjona governemanta sy ity ministera ity ny hanome asa mendrika ny tanora. Efa manatona izany tanjona izany ny asa mandeha amin’izao fotoana izao raha ny fanazavana. Tsy mitsahatra miova anefa ny tontolo ka misy ireo ankizy voatery miasa. Mbola maro araka izany ireo dingana mila arahina mba tena hanatrarana tanteraka izany tanjona izany. Tokony hianatra ka afaka manana asa mendrika ireo ankizy any aoriana fa tsy tokony vesarina asa dieny mbola kely, hoy hatrany ny minisitra. Samy manana adidy amin’izany avokoa ny tsirairay. Ao anatin’izany ny Ray aman-dReny, ny sekoly sy ireo toerana hafa afaka mikarakara ankizy.

Lire la suite

Articles Similaires