• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Crai
Image
Vaovao

Fampianarana : Mifanaraka amin’ny hetahetan’ny fikambanan’ny sekoly tsy miankina ny tetiandrom-pampianarana 2024-2025

28/05/2024 16:29 © Moov

Efa nivoaka tamin’ny herinandro lasa teo ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taona 2024-2025. Nanambara ny heviny mikasika izany ny fikambanan’ny sekoly tsy miankina. Voalaza fa mifanaraka amin’ny hetahetan’izy ireo ity tetiandro ity. Marihina fa nisy ny fiovana raha mitaha ny tamin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity.

Maharitra folo volana

Voalaza tamin’ity tetiandro ity fa haharitra folo volana ny taom-pianarana izay hanomboka ny 9 septambra izao ka hifarana ny 20 jona 2025. « Ampy tsara io folo volana io hamitana ny programam-pampianarana rehetra. Raha sivy volana foana teo aloha dia misy ireo tampoka tsy hahafahana mianatra ka tsy vita hatrany ny programa. Ao anatin’izany ohatra ny rivo-doza sy ny andro ratsy miseho. Amin’ity taona ity dia manana iray volana fanampiny hahafahana manenjika izay tsy vita ny mpianatra », hoy i Célin Rakotomalala, mpitondra tenin’ny sekoly tsy miankina. Araka ny fanambarana avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena dia mizara dimy mazava tsara io folo volana io ka afaka ny handamina ny fomba entiny miatrika izany ny mpampianatra. Anisan’ny mahafaly ireto avy ao amin’ny sekoly tsy miankina ireto ihany koa ny fivoahan’ity tetiandro ity mialohan’ny fifaranan’ny teo aloha hahafahany mandamina sahady ny ao amin’ny sekoliny tsirairay.

Niaraha-nidinika

Anisan’ny nahafaly ireto fikambanan’ireto sekoly tsy miankina ireto ihany koa ny niantsoana azy ireo tamin’ny fandinihana ity tetiandro ity. « Efa ho roa volana angamba izay no nanombohana ny dinika tamin’ity tetiandro ity. Mahafaly anay fa voaantso izahay tamin’izany, voalohany izany ho anay ary nohainoana ihany koa ny hevitray nandritra ny fivoriana. Nanambara ny hetahetanay izahay mba nahafahana namoaka iny tetiandro iny. Nivaly ny fangatahanay tamin’izany », hoy hatrany ity mpitondra teny ity. Anisan’ny fangatahanay tamin’izany ny fialan-tsasatra mandritra andro kristianina toy ny paka. Niverina nisy izany raha foana tamin’ny farany teo. Tsy haitraitra io fa fiainan’izao tontolo izao mihitsy ilay herinandro masina. Anisan’ny tena mila izany ireo sekoly kristianina rehetra tsy miankina ka anisan’ny ankasitrahan’izy ireo ny fivoahan’ity tetiandro ity.

Lire la suite

Articles Similaires