• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 20 hatramin'ny 26 may 2024

27/05/2024 00:05 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny 20 hatramin'ny 26 may 2024

Andry Rajoelina # Mitsidika an'i Madagasikara manontolo

Tsy ny faritra atsimon'ny Nosy ihany no notsidihan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina. Nizotra nankany Avaratra indray mantsy ny tenany tamin'iny herinandro lasa iny.
Anisan'ireo toerany notsidihiny ny tao Analalava, ao amin'ny faritra Sofia. Nisitraka ireo jiro "Hazavana ho anao" ireo mponina tao an-toerana. Ho an'ny tao Bealanana indray dia sady nahazo jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro ny mponina no nomena zezika sy masomboly ireo tantsaha. Nisy ihany koa ny fanokanana ny CSBII tao an-toerana. Tsy mbola naneho ny heviny moa na ny CENI na ny HCC mikasika izao fidinana ifotony ataon'ny fitondram-panjakana ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fampielezankevitra izao.

SADC # Mpanaramaso iraisampirenena tokana ny fifidianana

Hatreto dia ny SADC no mpanaramaso iraisampirenena ofisialy eto Madagasikara. Noho ny fangatahan'ny fitondram-panjakana Malagasy moa no nahatongavan'io vondrona io eto Madagasikara. Ny 31 may, roa andro aorian’ny androm-pifidianana, dia efa hanatanteraka sahady ny tatitra voalohany izy ireo. Nifampiresahana nandritra ny fihaonana tamin'ny 22 may ny fomba fikarakarana ny fifidianana sy ny rafitra rehetra momba ny fandriam-pahalemana. Tsara hatrany ny mampatsiahy fa ny antony hatongavan’ireto mpanara-maso ireto dia ny mba hampilamina ny zotram-pifidianana mba hanjakan’ny fahalalahana sy ny demokrasia.

FIM # Varotra fampirantiana nandritra ny 4 andro

Nifarana omaly alahady 26 may ny Foire Internationale de Madagascar (FIM), andiany faha-18, izay notontosaina teny amin'ny Tahala Fampirantiana Zone Forello Tanjombato. Nanamarika manokana ity hetsika ity ny fandraisan'ireo orinasa malagasy vokatry ny tetikasa ODOF. Maro ireo milina miparitaka manerana ny nosy izay ahazoana menaka, ketchup, tantely, chips, voankazo maina, sns. Nisy moa ny "dégustation" na fanandramana izay tena nahaliana ny maro tokoa.
Toromariky ny Minisitry ny Fampiroborobona ny indostria sy ny Varotra (MIC) Edgard Razafindravahy ny hiarovana ireo vokatry ny orinasa ODOF (One District One Factory) ny hiarovana ireo vokatra ireo eny anivon’ny Ofisy malagasy misahana ny fizakamanana ara-indostria (OMAPI).

Téléphérique # Hisokatra tsy ho ela ny fitaterana an-tariby

Mialoha ny 26 jona no hanombohan'ny fisitrahana ny fitaterana an-tariby ho an'ny mponin'Antananarivo. Ny zotra mampitohy an'Anosy sy Soarano no handeha voalohany, ka miisa 27 ireo cabines ho ampiasaina amin'izany. Raha ny fantatra dia 900 kilao eo ho eo no ho zakan'ny cabine iray, ka olona 9 hatramin’ny 12 izany no entina amin'ny fikisahana iray. 22 km isan'ora ny hafainganam-pandeha ka eo ho eo amin'ny 3 minitra izany no ilaina raha miainga eo Anosy mankeny Soarano. Eo an-dalam-panaovana ny asa rehetra ampandehanana ny zotra mampitohy an'Anosy sy Ambatobe ihany koa ireo teknisianina.

Toamasina # Nahazo fonja manarapenitra

Notokanana ny sabotsy 15 may lasa teo ny fonja manarapenitra vaovao ao Toamasina II, ao amn'ny Fokontany Antananambo. Mahazaka voafonja miisa 450 io fotodrafitr'asa vaovao io. Azo heverina fa hisy ny famindrana ireo voafonja avy any amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy. Raha 350 isa mantsy no zakan'io toerana io dia efa ahitana vofonja hatrany amin'ny 3 000 be izao.
Fonja manarapenitra fahatelo eto Madagasikara ity ao Toamasina ity, aorian'ny any Tsiafahy sy Imerintsiatosika. Ny fanajana ny zon'ireo voafonja moa no antony tena hanavaozana ireo fotodrafitr'asa misy sady anorenana toerana vaovao eto Madagasikara.

Fifidianana # Mifaramparana ny fampielezankevitra

Androany alatsinainy 27 may no mifarana ny fampielezankevitra amin’ny fifidianana Solombavambahoaka, izay ho tanterahina ny alarobia 29 may. Tamin’iny herinandro lasa iny, araka izany, no tena nanao izay ho afany tamin’ny fandresen-dahatra ireo mpifidy ireo kandida tsirairay. Omaly alahady 26 may no nanatanteraka ny faradoboka ny ankamaroan’ireo kandida, noho ny maha-andro tsy fiasana izany andro izany. Saika naka mpanakanto sady naka kianja malalaka avokoa ireo mpifaninana teto Antananarivo sy ny manodidina. Sady nampahafantatra ny tenany sy ny vinan’asany ny tsirairay, no nanoro ny amin’ny tokony ampiasana ny bileta tokana amin’ny androm-pifidianana.

Toeram-pamonjana # Tsy andovam-bola ny famangiana ireo voafonja

Nanazava ny fepetra tokony hajaina rehefa hamangy ho an’ny Fonjan’Antanimora ny Lehiben’ny Fonja, Heriniaina Razafindrazaka ka tamin’izany no nanazavany fa tsy maintsy manana ny fahazoan-dalana na ny « permis de communiquer » avokoa ny rehetra maniry hitsidika ny havany. Tsy andoavam-bola nefa izany. Ao anatin’izany karazany izany ny famangiana ho an’ny olona tsy mbola voatsara na ny “prévenue”, ary ny famangiana ireo efa voatsara na “condamné”. Raha ho an’ny Fonjan’Antanimora manokana, isaky ny alakamisy ny alahady ihany ny andro famangiana

22 may # Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina

Ny 22 may lasa teo no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina. Ho an’ny eto Madagasikara dia ny zoma 31 may no hanatanterahana ny fankalazana ôfisialy, eny amin’ny Saha Maintsoanala any Mandraka. Any amin’ny 65km miala an’Antananarivo no misy io toerana io, any amin’ny Kaominina Ambatolaona.
Zava-manan’aina maherin’ny 250 000 karazana moa no hita eto Madagasikara. Tsy hita afa-tsy eto amintsika ny 70% amin’ireo. Isan’ireo toerana ahitana zava-manan’aina mampiavaka an’i Madagasikara moa ny Saha Maintsoanala.

SEMIPI # Fankalazana ny faha-101 taona

Nankalaza ny tsingerintaona faha-101 taona niorenany ny Sekoly Miaramilam-pirenena ao Fianarantsoa, fantatra amin'ny fanafohezanteny hoe SEMIPI.
Hetsika varavarana misokatra ho an'ny rehetra (porte ouverte) no nanombohana izany. Nampahafantarina ireo mpitsidika ny sampana rehetra miy sy ny fomba fidirana ao amin'ny sekoly. Tsara moa ny mpianatra manana ny mari-pahaizana BEPC no afaka misitraka ny fampianarana sy ny fanofanana ao amin’io toerana io. “Fahaizana# Fahendrena# Fandresena” hatrany no tarigetran'ny SEMIPI.

Toetr'andro # Fidirana amin'ny vanimpotoanan'ny ririnina

Nidina ny maripana nanomboka ny fiandohan'ny herinandro lasa teo. Sady namirifiry ny hatsiaka no nirotsaka ny erika raha ny teto Antananarivo manokana. Nikorontana ihany koa ny toetry ny andro tan-dranomasina, tany amin’ny morontsiraka atsimo sy ny ilany atsinanan’ny nosy iray manontolo, noho ny alondrano antonony na vaventy avy atsimo atsinanana. Nanomboka ny faraparan'ny herinandro vao nahitana fiakarany ny maripana. Mila miomana hatrany amin'ny hatsiaka ny rehetra satria efa miditra amin'ny vanimpotoanan'ny ririnina isika izao.
Nihatsara kosa ny kalitaon'ny rivotra eto Antananarivo ary vinavinaina hijanona ho tsara izany amin'ny ankapobeny.

Tontolo iainana # Festival des initiatives vertes

Manohana hatrany ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny angovo azo havaozina ny Telma. Etsy amin'ny Alliance Française Andavamamba no hanatanterahana ny "Festival des initiatives vertes" andiany voalohany, ny 31 may sy ny 1 jona. Ny tanjona amin'izany dia ny hampirantiana sy hivarotana ireo vokatra azo avy amin'ny "recyclage" sy ny fampiasana angovo azo havaozina. Ho hita any ihany koa ireo voninkazo sy vokatra biolojika isan-karazany. Tsy adino ny fanentanana ny amin'ny hanatsaharana ny fanimbana ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires