• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Produir
Image
Vaovao

Fanamboarana ny Canal C3 : Efa hita mivaingana ny asa fanarenana ny moron’ny lakan-drano

23/05/2024 15:42 © Moov

Efa manangasanga ireo asa vita nanombohana ny fanamboarana ny lakan-drano C3. Miantomboka amin’ny fanamboarana ny moron’ny lakan-drano izany ka efa misy ireo asa vita amin’izao fotoana izao.

Mandroso ny asa, hoy ny avy ao amin’ny “ Projet de développement urbain intégré et de résilience du Grand Antananarivo” (PRODUIR), izay mpiandraikitra ity asa ity.

Hatsaraina aloha ny morona

Manomboka amin’ny fanatsarana ny moron’ny lakan-drano ny asa fanamboarana azy ity. Marihina moa fa ny antom-pisian’ity lakan-drano ity dia hiaro ny mponin’Antananarivo amin’ny tondra-drano ateraky ny oram-be. Nanomboka tamin’ny volana febroary ny fanavaozana ny morona ka efa mandroso araka ny tokony izy izany asa izany amin’izao. Raha araka ny hita tamin’io horonantsary io hatrany dia efa hita mivaingana ny asa eny anivon’ny fokontany 3G Hangar. Efa mijoro ny ampahan’ny rindrina fiarovana ny morona amin’izao fotoana izao. Efa toy izany ihany koa ny eo anivon’ny « Bassin tampon » Anosibe. Tsara moa ny mampatsiahy fa mirefy 12km ity lakan-drano C3 ity izay manomboka eny Anosibe hatrany Ambodimita. Ny 6km no ampahany ho vitaina voalohany izay hananganana io rindrina io avokoa.

Diovina hatrany ny lakan-drano

Asa maika avokoa ny asa rehetra hatao amin’io lakan-drano ho fiarovana ny mponina io. Anisan’ny asa ho tanterahina ihany koa ny fanadiovana ny lakan-drano mba hampikoriana tsara ny rano rehefa vita tanteraka ny fanamboarana azy io. Ampahany 9 manomboka eo amin’ny « bassin tampon » Anosibe hatrany @ CENAM no amboarina maika sy ho diovina ao anatin’ity asa ity. Fanadiovana aloha no hotanterahina voalohany mba hahafahan’io lakan-drano io mahazaka ny rano maloto rehetra izay tsy ilain’ny mponin’Antananarivo. Marihina fa maherin’ny 100 000 taonina ny fotaka sy ny fako mila esorina ao amin’io lakan-drano io mba hampikoriana indray ny rano. Etsy andaniny moa dia efa mandroso ihany koa ny fanamboarana ilay tanàna vaovao hamindrana ny mponina manamorona io lakan-drano io.
Tokony ho vita ny volana jona ho avy izao izy io raha ny tokony ho izy raha ny vaovao farany. Andrasan’ny maro ihany koa ny fahavitan’ity lakan-drano ity izay hiaro mponina aman’alina.

Lire la suite

Articles Similaires