• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Saha Maintsoanala
Image
Vaovao

Saha Maintsoanala : Handray ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina

22/05/2024 09:38 © Moov.Mg

Androany 22 mey no anamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina. Ho an’ny eto Madagasikara dia ny zoma 31 mey no hanatanterahana ny fankalazana ôfisialy, eny amin’ny Saha Maintsoanala any Mandraka.

Ala Atsinanana

Zava-manan’aina maherin’ny 250 000 karazana no hita eto Madagasikara. Tsy hita afa-tsy eto amintsika ny 70% amin’ireo. Isan’ireo toerana ahitana zava-manan’aina mampiavaka an’i Madagasikara ny Saha Maintsoanala. Any amin’ny 65km miala an’Antananarivo no misy azy, any amin’ny Kaominina Ambatolaona. Ny Saha Maintsoanala no valan-javaboahary isan’ny akaiky indrindra ny renivohitr’i Madagasikara, nefa ahitana taratra tsara ny mampiavaka ny ala Atsinanana. Misy karazana varika ao aminy, ahitana rian-drano sy farihy namboarina ihany koa ary misy toerana avo ahitana tsara ny hakanton’ny manodidina. Araka izany, toerana azo itsangatsanganana sy ankamamiana ny zava-boahary izy ity. Tamin’ny 17 desambra 2013 no nisokatra ity toerana ity, izay mirefy 26ha. Ny fikambanana Maintsoanala no mitantana azy, tohanan’ny sampam-pampianarana momba ny siansan’ny fambolena sy fiompiana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.

Miasa miaraka

Ao amin’ity toerana ity no hanatanterahana ny fankalazana nasiônaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina, eo ambany fitarihan’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. « Miasa miaraka ho an’ny karazanjavamananaina » (Contribuer au plan / Be part of the plan) no lohahevitra nosafidian’ny Firenena Mikambana tamin’ity taona ity. Hetsika maro hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika, no ho entina manamarika ity andro ity, ho antsika eto Madagasikara. Hiompana amin’ny fampahafantarana ireo karazanjavamananaina mampiavaka ny Nosy izany ary koa ho fanentanana ny rehetra amin’ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires