• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pn
Image
Vaovao

Fampianarana : Nihena hatramin’ny 2000 eo ho eo ny isan’ireo mpiadina CEPE sy BEPC eto Antananarivo Renivohitra

21/05/2024 23:22 © Moov

Efa iray volana eo ho eo sisa dia hanatanteraka ny fanadinam-panjakana voalohany na ny CEPE ny ankizy ny kely, hanaraka izany eo ihany koa ny BEPC. Amin’ny 18 jona izao izany no hatao manerana ny Nosy. Efa mivoaka ihany ny antontan’isa amin’izany ary raha ho an’ny Fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) Antananarivo Renivohitra dia nihena hatramin’ny 2000 isa izany mpiadina izany na ho an’ny CEPE na ny BEPC.

Nihena ny mpiadina

Ny mpianatra avy any amin’ny Sekoly tsy miankina no betsaka nihena raha oharina amin’ny tamin’ny herintaona, hoy ny filohan’ny CISCO Antananarivo Renivohitra. Mety noho ny lafi-piainana sy ny trangan-javatra rehetra miseho amin’izao fotoana izao no mahatonga izany raha ny fanazavana hatrany. Ao anatin’izany ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny, izay nanomboka tany amin’ny fampidirana mpianatra sy ny fikarakarana azy ireo ho tody hatramin’ny farany. Raha ny tsapa dia ireo mpianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina io nihena io fa ny avy amin’ny sekolim-panjakana aloha dia tsy misy fiovana. Miisa 27 581 ireo olona hiadina ny fanadinam-panjakana CEPE eto Antananarivo izay manomboka amin’ny 5 taona hatramin’ny 46 taona (lehilahy). Miisa 24 667 ihany koa ny BEPC ary manomboka amin’ny 9 taona hatramin’ny 46 taona io ihany koa.

Efa ho vita ny laza adina

Efa andalam-pamolavolana ihany koa ireo laza adina ilaina amin’ireo fanadinam-panjakana ireo amin’izao fotoana izao. Efa vita tanteraka izany raha ny ho an’ny CEPE raha mbola eo andalana kosa ny ho an’ny fanadinana BEPC. Raha ho an’ity farany ity dia efa nanolotra ny heviny ireo mpampianatra amin’ny laza adina tsara hatao amin’ity fanadinana ity ka efa andrasana fotsiny sisa ny hivoahan’izany avy any amin’ny CNAPMAD. Tsara ny manamarika fa mbola amin’ny voalohan’ny volana jolay no hanatanterahana ity fanadinana iray ity. Alohan’izany dia mbola hisy ny fanadinana andrana izay hotanterahina ny 3 jona izao. Amin’izao fotoana izao dia efa andalam-piomanana tanteraka ny mpianatra rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ireo manomana ny BAC.

Lire la suite

Articles Similaires