• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Raharaha fakana an-keriny : Efa manomboka milamina ny ao Ankazobe sy Anjozorobe

21/05/2024 21:42 © Moov

Efa misy ny vokatra azo tsapain-tanana avy amin’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao mahakasika ilay raharaha fakana an-keriny tao amin’ny Distrikan’Anjozorobe sy Ankazobe. Amin’izao volana maromaro taorian’ny hetsika fandriana fahalemana izao dia efa maro ireo voasambotra sy efa nigadra. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa vao avy nanao fidinana an-tsehatra tany Anjozorobe ihany koa ny avy ao amin’ny Fitsarana ny faran’ny herinandro teo nijery sy nitady vahaolana amin’ny olana izay mbola tsy mivaha.

Olona aman-jatony no tratra

Nanazava ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny tafika misahana ny fampandriana fahalemana amin’ireo distrika roa ireo fa efa telo amby roapolo amby zato (123) ny isan’ireo olona voasambotra tamin’ity raharaha fakana ankeriny sy fangatahana takalon’aina ity. Tafiditra ao anatin’izany hoy hatrany izy ireo mpitandro filaminana sasany sy olom-boafidy isan-karazany. Nanamafy hatrany ity tompon’andraikitra ity fa samy hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra izay tratra amin’ity raharaha ity. Tsy hisafidianana saranga ny fikarohana sy ny fampikatsoana ireny olona ireny satria efa ady mangotraka izao hatao izao, hoy ny fanazavana. Marihina moa fa ny tanjona amin’ity hetsika ity dia ny hiverenan’ny fandriam-pahalemana indray sy tsy hiverenan’ny fakana ankeriny toy izao intsony izay mampijaly ny vahoaka efa nandritra ny fotoana ela be.

Famotorana eny amin’ny fitsarana

Ankoatra ireo olona voasambotra ireo dia mbola andrasana ihany koa ny valin’ireo famotorana sasany eny anivon’ny Fitsarana izay mandeha amin’izao fotoana izao. Tsara ny mampantsiahy fa efa nampidirina am-ponja vonjimaika amin’izao fotoana izao, izay nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ireo Ben’ny tanàna teo ao Anjozorobe. Ny nanenjehan azy ireo tamin’izany dia ny firaisana tsikombakomba tamin’ireo jiolahy amin’ny alalan’ny fanomezana sakafo sy fampiantranoana ary ihany koa ny fanomezana vaovao ireo jiolahy. Etsy andaniny anefa dia miroso amin’ny famerenana amin’ny laoniny amin’ny fampandriana fahalemana hatrany ireo mpitandro filaminana ka efa maro ihany koa ireo fitaovam-piadiana no efa tafaverina ary efa notanana ao amin’ny Distrikan’Anjozorobe sy Ankazobe daholo izany rehetra izany. Mbola mitohy ny asa izay tsy hijanona raha foana tanteraka izany tsy fandriam-pahalemana izany.

Lire la suite

Articles Similaires