• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Toamasina : Lehilahy iray mpivarotra lambo voaroba 6 tapitrisa ariary

21/05/2024 21:29 © Moov

Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana ao. Efa maro ireo mitaraina saingy mbola misy hatrany ireo vaovao iharan’izany na dia efa misy ihany koa aza ireo fandraisan’andraikitra isan-karazany. Anisan’izany ity lehilahy iray avy any Soanierana Ivongo ity izay voaroba vola mitentina 6 tapitrisa ariary, anio tamin’ny 8 ora maraina.

Mpivarotra lambo

Lehilahy iray monina ao Soanierana Ivongo indray ity niharan’ny antsojain’ny jiolahy ity. Mpamatsy lambo ao Toamasina izy ka avy naka vola tany amin’ny tsena fanaterany ny entany no niharan’izao fanendahana izao. Vola avy nalaina tao Bazar be entina hody ka natao tao anaty harona plastika mainty no nifandroritany sy ireo jiolahy tamin’izany. Nandrahona hitifitra anefa ireo jiolahy roa rehefa tsy nanaiky hanome ilay vola ity lehilahy avy any Soanierana Ivongo ity. Araka izany dia voatery tsy maintsy navotsotra ilay vola ka navoakan’ireto jiolahy tao anaty harona izany fa ny vola fotsiny no nalainy.

Jiolahy mitam-piadiana

Lehilahy roa, tsy matahotra ny andro mazava ary indrindra indrindra mitondra fitaovam-piadiana no nanatanteraka ity fandrobana ity lehilahy iray ity. Nandeha kodiaran-droa marika « cygnus » ary mitondra basy PA ireto jiolahy ireto. Samy tsy nanao aro loha anefa izy ireo tamin’izany fa ny iray kosa nanao akanjo nisy satroka. Tsy vao izao fa efa maro ireo fitarainana amin’ireo lehilahy mpanendaka ao Toamasina mitondra fitaovam-piadiana izay tokony hitadiavana vahaolana, mahakasika ny fahazoan-dalana amin’ny fitanana azy ireny. Sady mampatahotra ny mponina no mampitaintaina ireo izay mivoaka ny trano hatrany ny fisian’izy ireny. Tamin’ity indray mitoraka ity dia voaambana ihany koa ity niharan’ny loza ity raha nikasa ny hanenjika azy ireo rehefa azony ny vola. Marihina anefa fa tsy any Toamasina irery no ahitana izany olana izany fa manjaka ihany koa izany amin’ny faritra sasany. Mbola maro ny ezaka tokony hatao hamongorana ireny jiolahy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires