• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Fitaterana : Vinavinaina ho vita amin’ny faran’ny volana jona ny familian-dalana ao Ifasy sy Mahavavy

21/05/2024 21:10 © Moov

Nisy ny fidinana ifotony notanterahin’ny Praiministra lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian tany Ambilobe nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ireo fivilian-dalana. Nivory niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana tao amin’ny fatitra Diana izay nandinihana manokana ny mahakasika ny lalam-pirenena faha-enina iny ihany koa ny tenany tamin’izany. Araka izany dia hojerena sy hodinihina ny momba ny tsy maintsy hanokafana ity lalam-pirenena ity ao anatin’ny fotoana fohy.

Faran’ny volana jona

Raha ny vinavinan’ny asa mandeha amin’izao fotoana izao dia tokony efa afaka hiasa ny faran’ny volana jona izao ny familian-dalana eo amin’ny reniranon’ny Mahavavy ary ny tapaky ny volana jona kosa ny eo amin’ny reniranon’Ifasy. Voaray ao anatin’ny asa maika tsy maintsy tanterahina ihany koa ity asa fanamboaran-dalana ity satria miantoka fiainan’olona maro any amin’iny faritra avaratra ny Nosy iny. Raha tsiahivina dia ny rivo-doza Gamane farany teo no nanapaka ny tetezan’Ifasy sy Mahavavy ireto ka mampikorontana hatrany fifamoivoizana eny amin’iny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Antsiranana iny. Nanao tatitra ny fandrosoan’ny asa io ihany koa ireo orinasa mpanatanteraka ny asa izay tafiditra ao anatin’izany ny orinasa Colas, ny « Agence routière », ny tompon’andraikitra ny fanaraha-maso ary ny DRTP ka izay fe-potoana izay no napetraka hiverenan’ny lamina amin’ny ampahany amin’ny fifamoivoizana.

Nampiana ny fitaovana hiampitana

Efa maro ny taraina avy amin’ireo mpampiasa iny lalam-pirenena faha enina iny amin’izao mahakasika ny tsy mbola fahatomombanan’ny fifamoivoizana. Nandray fanapahan-kevitra ihany koa ireto tompon’andraikitra rehetra ireto ny amin’ny famahana ny olana. Vinavinaina araka izany ny hahatongavan’ireo « bacs » roa hanampy ireo olona sy fiara hiampita ireo renirano roa ireo. Hampitombo ny fetran’ny olona zaka amin’ny fiampitana indray mandeha ny fahatongavan’ireo fitaovana vaovao ireo. Etsy andaniny anefa dia vonjimaika daholo ihany izany rehetra izany fa mbola ho avy ihany koa ny foto-drafitr’asa maharitra. Mifanindra-dalana amin’izany dia isan’ny noresahina ihany koa ny tetikasa fanamboarana ireo tetezana vaovao roa amin’ireo renirano roa ireo ka hivoaka tsy ho ela ny tetiandro mahakasika ny dingana ho arahina sy ny fitadiavana famatsiambola ho amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires