• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Teknisianin’ny ala : Miisa 8 ny vehivavy, amin’ireo mpiofana vaovao eny Angavokely

21/05/2024 18:41 © Moov.Mg

Tsy ampy isa ireo teknisianin’ny ala eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny tetikady hanamafisana ny fiarovana ny ala eto amintsika ny nanokafana indray ny Ivon-toerana fanofanana teknisianin’ny ala, CNFTF Angavokely. Miisa 30 ireo mpiofana no noraisin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) tamin’ny fomba ôfisialy, androany.

Fiofanana mitohy

Tamin’ireo mpianatra ho mpianala miisa 30 ireo dia vehivavy ny 8 ary lehilahy ny 22. Hanaraka fiofanana mandritra ny 18 volana eo anivon’ny Ivon-toerana fanofanana teknisianin’ny ala CNFTF Angavokely izy ireo. Isan’ny hianaran’izy ireo mandritra izany ny famehezana ny afo mety handripaka ireo karazanjavamamanaina, ny fikolokoloana ny ala, ny fiaraha-miasa amin’ireo vondron’olona ifotony, ny karazana lalàna mahakasika ny tontolo iainana… Aorian’ny fiofanana dia haparitaka hiasa manerana an’i Madagasikara izy ireo, ka misy ny hiasa eo anivon’ny Ministera foibe ary misy kosa ny hiasa eny anivon’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Ankoatra ireto 30 mianadahy ireto dia efa nisy 30 mianadahy hafa ihany koa manaraka fiofanana mitohy eo anivon’ny CNFTF. Miisa 60, araka izany, ireo mpiofana andiany 2024-2025 eo anivon’ity toeram-panofanana teknisianin’ny ala ity.

Miaramilan’ny tontolo iainana

Tafiditra ao anatin’ny fanambin’ny MEDD, ny amin’ny hanampiana isa ireo mpianala misehatra eo anivon’ny Ministeran’ny tontolo iainana, ny fandraisana ireto mpiofana ho mpianala ireto. Ezaka tsy maintsy irosoana izany, hoy ny Minisitra Fontaine Max Andonirina, mba ho fiarovana ny ala sy ny harena voajanahary eto amintsika. Asa sarotra anefa, ny asa sahanin’izy ireo, satria izy ireo dia sokajiana ho miaramilan’ny tontolo iainana. Miady mivantana amin’ireo tambajotra manao fitrandrahana an-tsokosoko izy ireo. Notsiahivin’ny Minisitra fa nisy teknisianina iray voatsatoka antsy, 3 herinandro lasa izay, rehefa nifanehatra tamin’ireo mpandroba ny harem-pirenena. Noho izany indrindra dia miara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana ireo mpianala, amin’ny fiarovana ireo harena voajanahary. Miisa 300 mahery ankehitriny ireo mpianala am-perin’asa eo anivon’ny MEDD, manerana ny Nosy. Andiany fahatelo ireto noraisina androany ireto. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 2017 no niverina nanofana teknisianin’ny ala indray ny CNFTF Angavokely, ka andiany miisa 2 no efa navoakan’ny sekoly. Efa samy am-perin’asa avokoa ireo mpianala 55 mianadahy nanaraka izany fiofanana izany. Manohana ny MEDD sy ny CNFTF amin’ny fampiofanana sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa fampianarana ny Vondrona Eoropeanina, amin’ny alalan’ny Fandaharanasa RINDRA.

Lire la suite

Articles Similaires