• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Holafitry ny Mpandrefy Tany Mpahairaha : Hametraka paikady hisorohana ny ady tany

21/05/2024 14:24 © Moov.Mg

Ny ady tany no betsaka indrindra amin’ireo raharaha miakatra eny anivon’ny Fitsarana, eto Madagasikara. Ankoatra ny endrika fisolokiana sy ny fibodoana ataon’ny sasany, dia miteraka olan’ny fananan-tany ihany koa ny tsy fahalalana. Manana andrakitra eo anatrehan’izany ireo Mpandrefy Tany Mpahairaha (géomètre expert).

Manana ny lanjany

Manatanteraka fihaonambe mandritra ny 5 andro, nanomboka androany, ny Holafitry ny Mpandrefy Tany Mpahairaha eto Madagasikara. Tanjona lehibe amin’ity fihaonambe ity ny fametrahana ny lanjan’ity sehatr’asa ity. Isan’ny hodinihin’izy ireo mandritra ity fihaonambe ity ny momba ny anjara andraikitr’izy ireo, manoloana ny ady tany, izay diso mateti-pitranga loatra eto Madagasikara. Isan’ny hovolavolaina ny fomba handravonana ho iray ny asan’ny Mpandrefy Tany, mba hampihenana ny fifanitsahan’ny tany, indrindra rehefa manao baorina. Isan’ny hodinihina ihany koa ny momba ny saran’ny fandrefesan-tany, izay somary manahirana ny mamaritra azy, noho izy ity asa teknika be, araka ny fanazavana. Raha fehezina dia hametraka paikady ny Holafitry ny Mpandrefy Tany Mpahairaha malagasy, mba hisorohana ny ady tany.

Vita fianianana

Etsy an-daniny, manentana ny tsirairay mba ho mailo ihany koa ireo Mpandrefy Tany Mpahairaha, satria betsaka ireo mpijirika sy mpisoloky eo amin’ity sehatr’asa iray ity. Antony iray lehibe nametrahana ny Holafitra izany, hoy ny fanazavana, ka mba ho tena olona manana traikefa sy nahavita fianianana no manatanteraka ny asa fandrefesan-tany. Manodidina ny 350 isa moa ankehitriny ireo Mpandrefy tany Mpahairaha vita fianianana, izay miparitaka manerana an’i Madagasikara. Ny lalàna 2021-004 no mamaritra fa ireo Mpandrefy tany Mpahairaha vita fianianana irery ihany no hany afaka manao ny asa fandrefesan-tany eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires