• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Orinasa Jirama : Tsy nametra-pialana, araka ny feo miely, ny tale jeneraly

21/05/2024 10:18 © Moov.Mg

Nandeha ny resaka tao ho ao fa nametra-pialana sahady ny tale jeneralin’ny Jirama, manoloana ireo olana marobe izay atrehin’ity orinasa miandraikitra ny famokarana jiro sy rano ity. Nandiso izany tsaho izany androany maraina ny Jirama.

Hanarina ny Jirama

Raha tsiahivina dia nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra, ny 3 mey lasa teo, no nanendrena ilay injerniera israelinina, Ron Weiss, ho tale jeneraly hitantana ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy. Fanamby apetraky ny Fanjakana malagasy aminy ny fanarenana ity orinasa ity, izay efa nitsipozipozy tao anatin’ny fotoana naharitra ihany izay. Ny firosoana tsikelikely amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina no tena hiompoanan’ny asany. Araka ny fanazavan’ny filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fitokanana ny « centrale Agro-Photovoltaïque » tany Vinaninkarena Antsirabe tamin’iny herinansro lasa iny, fa ny Banky Iraisam-pirenena no nanoso-kevitra ny hametrahana ity « spécialiste » ity hitantana ny Jirama, satria tsy tafavoaka i Madagasikara amin’ny fitantanana izany orinasa izany. Efa nanarina ny orinasam-panjakana tahaka ny Jirama, tany Rwanda, moa i Ron Weiss, araka ny fantatra.

Mitohy ny asa

Hatreto aloha dia mbola misedra fahatapatapahana hatrany ny mponina, na eo amin’ny lafiny herinaratra, na eo amin’ny lafiny rano. Maro ireo asa voalazan’ny Jirama fa tanterahina, mba hahafahan’ny rehetra misitraka ireo tolotra omeny, araka ny tokony ho izy, toy ny fanoloana na fanamboarana hidim-pantsona mikatso, ka mahatonga fiatoan'ny fampiakaran-tosiky ny rano ; fanoloana andrin-jiro ho « béton », tahaka ny notontosaina ny alahady teo, mampitohy an'Ambohimandroso sy Sambaina, ao anatin’ny tetikasa PAGOSE II, izay vatsian'ny Banky Iraisampirenena vola… Mitohy tahaka izany ihany koa ny asa iandraiketan’ny Tale Jeneralin’ny Jirama, araka ny filazana navoakan’ity orinasa ity androany maraina, fa tsy nisy, araka ny feo miely ny fametraham-pialana nataony.

Lire la suite

Articles Similaires